• Cours de change
  • 4774.08 AR
  • |
  • $4466.15 AR
Copyright Image : © Tennis Kenya
Image
Sport

Tennis - BILLIE JEAN KING CUP : Sokajy fahatelo hatrany i Madagasikara

17/06/2024 15:12 © Moov

Tsy niova ny toerana misy ny ekipam-pirenena Malagasy

Mijanona sokajy fahatelo ny Akomba

Tapitra omaly alahady, tao Nairobi Kenya ny fiadiana « ny coupe Billie Jean King 2024, eo amin’ny taranja tenisy sokajy vehivavy, sokajy fahatelo. Tsy nahafa-po loatra ny vokatra raha ho an’ireo ekipam-pirenena Malagasy. Mijanonana ao amin’ny sokajy fahatelo izay efa nisy azy i Madagasikara, amin’ny taona 2025. Tsy tratra ny tanjona hiakarana ao amin’ny sokajy faharoa, ho an’ny Akomba, voatazona kosa nefa ny fanamby ho azy ireo, nijanonana ao amin’ny sokajy fahatelo. Nitazona ny laharana fahafito, tamin’ireo firenena 12 nandray anjara ireo ekipam-pirenena Malagasy.
Fandresena tokana no azon’ireo tao anatin’ny lalao. Resin’izy ireo, tamin’ny fiadian-toerana i Tunisie. Tsy nitsanga-menatra araka izany ireo solotenan’i Madagasikara tao anatin’ny fiadiana ny « coupe Billie Jean King 2024 » ity. Sambany teo amin’ny fandraisana anjaran’i Madagasikara no nandresy ireo ekipa Tonizianina. Ity fandresena ity no nahafahana nitazona any toerana tao anatin’ny lalao.

Raha atao jery todika ireo voka-dalao, teo amin’ny lalao voalohany resin’i Chiraz Bechri, tamin’ny seta 2 no ho 1 i Mialy teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana. Nahazo ny seta voalohany ny tovovavy tamin’ny seta (6/2) saingy tsy voatazony izany fa azon’ilay tonizianina avokoa ny seta 2 manaraka (6/4 ; 6/2). Teo amin’ny lalao faharoa, nandresy an’i Ranim Rassil, tamin’ny seta 2 no ho 1 i Miotisoa. Nifamaly hatrany ny lalao teo amin’ny roa tonta. Azon’i Rassil, ny seta voalohany (6/7). Lasan’ i Miotisoa kosa ireo seta roa manaraka tamin’ny isa 6/4 ny seta faharoa ary 7/6 ny fahatelo. Sahala 1 sy 1 ny fandresena teo ka tsy maintsy niditra tamin’ny lalao ho an’olon-droa nijerena izay handrombaka ny fandresena.

Tany amin’ireo lalao ho an’olon-droa no tena namiratra ny Akomba

Nanjakan’ireo Malagasy ny lalao an’olon-droa tao anatin’ny fiadiana ny « coupe Billie Jean King 2024 ». I Nadine Hamrouni sy i Lamis Houas no nifanandrina tamin’ i Tsantaniony sy i Mialy. Nandresy tamin’ny seta, 2 no ho 0 (6/3 ; 6/4), izy mirahavavy tao anatin’izany. Nazava ny lalana ho an’ireo ekipam-pirenena Malagasy teto nanoloana ireo Tonizianina. Efatra mirahavavy izy ireo nandray anjara nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ity lalao ity. Nisy an’ i Tsantaniony sy i Miotisoa ary an’i Mialy sy i Elisoa. Nivoaka tompondaka tamin’ity andiany 2024 ity i Afrika Atsimo, miakatra ao amin’ny sokajy faharoa. Midina ho ao amin’ny sokajy fahefatra kosa i Maurice.
Ny fiadiana ny coupe Davis kosa no tanjona manaraka ho tratrarin’ireo mpiangaly ny taranja Tennis Malagasy. Ho tontosaina ny 17 hatramin’ny 20 Jolay 2024 izao ny lalao, sokajy fahadimy izay hatao any Botswana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo