• Cours de change
  • 4774.08 AR
  • |
  • $4466.15 AR
Copyright Image : © Sortir À Paris
Image
Sport

Masters de pétanque 2024- Hihazo an’i Frantsa ny mpilalao malagasy

16/06/2024 20:40 © Moov

Ao anaty fanomanan-tena tanteraka ireo mpilalao ankehitriny, ary efa vonona hiatrika ireo lalao miandry ao anatin’ny fiadiana ny « Masters de pétanque 2024 », atao any Frantsa

Ekipa fito isaky ny dingana no hifanandrina

Hanomboka ny 26 Jona izao ny « Masters de pétanque 2024 », any Frantsa. Ekipa fito isaky ny dingana no hifanandrina mandra-pahatonga any amin’ny dingana famaranana ny volana septambra izao. Efa azp lazaina fa vonona tanteraka ireo ekipa Malagasy hisolotena amin’izany. Tsy atahorana ny mety hisian’ny fiovana tampoka raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny federasiona sport boule eto Madagasikara. Tsy maintsy handray anjara ao anatin’io lalao io izany i Madagasikara.
Miatrika fampivondronana any Antsirabe izy efatra mirahalahy hisolo tena ny ekipam-pirenena Malagasy amin’izao fotoana. I Andriamahazo Haja, Andrianjaka Jean Michel, Ramanantiary Faralahy Urbain Joseph, sy Razafimahatratra Herilantosoa izay handrafitra ny ekipa voalohany. Miaraka manao fanomanana any an-toerana ihany koa ny tale teknika Nasionalin’ny Tsipy Kanetibe sady mpanazatra hanaraka azy ireo any Frantsa.
Miandry ny taratasy fahazoan-dalana hisidina ireo mpilalao
Ny taratasy fahazoan-dalana hivahiny any Frantsa sisa endrasina. Tsy tokony hisy olana raha ny famoahana izany raha ny nambaran’ireo mpikarakara. Ny Sabotsy 22 Jolay izao no heverina hanainga eto an-tanindrazana ireo mpilalao tsipy kanetibe. Dingana telo no miandry azy ireo ao anatin’ity « Masters 2024 » ity, ny 26 sy 27 Jona, ny 21 sy 22 Aogositra ary ny 27 sy 28 Aogositra ny lalao farany. Raha tafita amin’ireo dingana telo ireo ny ekipa vao afaka miatrika ny « Final Four » lalao famaranana ny 8 sy 9 septambra. Manaraka ity fifaninana iray ity, ny fidiana ny ho tompondaka manerantany tsipy Kanetibe sokajy lehilahy no fifaninana manaraka miandry an’i Madagasikara. Ny 5 hatramin’ny 8 Desambra 2024 no hanatanterahana izany izay hatao any Dijon, Frantsa. Delegasiona iraisam-pirenena mpiangaly ny lalao « triplettes sy tir » no ho avy hanatrika ny lalao. Efa naharay fanasana avy amin’ny firenena hampiatrano ny fiadiana ny tompondaka ny tsipy kanetibe ity moa i Madagasikara ny volana Mey teo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo