• Cours de change
  • 4774.08 AR
  • |
  • $4466.15 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Sport

Stade Barea : Hosoloina tanteraka ny bozaka, hitohy ny fanamboarana

16/06/2024 20:35 © Moov

Voatery nilalao tany ivelany ny Barea taorinan’ny tsy nahazoana fankatoavana hampiasana ny kianja teto an-toerana. Lalao roa no natao tany Afrika Atsimo noho izany.

Hatao faran’izay haingana ny asa fanamboarana ny kianja Barea

Tao anatin’ireo kianja telo nisafidianan’i Madagasikara hilalaovana ny fifanintsanana farany teo ny kianja tany Maroc sy tao Maorisy. Ny kianja FNB # First National Bank Stadium tany Afrika Atsimo nefa no naharesy lahatra ny federasiona Malagasin'ny Baolina kitra. Tsy maintsy hofaina amin’ny vidiny 17.000 hatramin’ny 20.000 euros nefa ny kianja iray, izay manodidina ny 96.440.000 Ariary. Nifanampian’ny fitondram-panjakana sy ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra hatrany ny fanatontosana ireny lalao tany ivelany ireny.
Mbola misy ny fanantenena ho an’ny FMF ny hiverenan’ny CAF hanome alalana amin’ny fandraisana ireo lalao iraisam-pirenena hafa eto Madagasikara. Noho izany indrindra dia tsy hajanona amin’izao ny kianja BAREA fa ho asiam-panamboarana indray.

Ho soloina ny bozaka

Fantatra nandritra ny fifampiresahan’ny fitondram-panjakana, izay nosoloin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponena tena, sy ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra fa hatomboka tsy ho ela ny asa fanamboarana ny kianja Barea. Ezahina hovaliana avokoa ny fepetra rehetra takin’ny CAF. Ny bozaka no isany tena olana tsy nahazoana fankatoavana. Haverina tamin’ny endriky ny bozaka teo aloha, araka izany, ny bozaka hilalaovana aorinan’ny fanavaozana. Faniriana ho an’i Madagasikara ny hampiantrano ny fifanintsanana ho an'ny amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra na ny CAN 2025, amin’ny volana septambra izao. Hatao araka izany ireo fanavaozana ireo mba hahafahana manatanteraka izany. Tsy mbola nisy resaka aloha hatreto ny mety hanafoana ny kianja.

CAN 2025

Ny 4 jolay izao no hotontosaina any Johannesburg, Afrika Atsimo, ny antsapaka hizarana ireo vondrona ho amin’ny fifanintsanan'ny CAN 2025. Miisa 48 ny firenena hosarihina ao anatin’izany izay hozaraina anatina vondrona 12. Mbola miandry ny filaharana vaovao avoakan’ny CAF ny rehetra amin’izao fotoana. Miankina tanteraka amin’izany no mety hisy an’i Madagasikara ao anatin’ireo vata misy ny anaran’ny firenena. Raha teo aloha tao amin’ny vata fahatelo no nisy an’i Madagasikara. Taorian’ny voka-dalao farany nanoloana an’i Kaomoro sy Mali, mety hisy fivoarana ny toerana misy ny ekipam-pirenena malagasy. Marihina hatrany fa any Maroc no hanatanterahana ny CAN ny taona 2025.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo