• Cours de change
  • 4763.91 AR
  • |
  • $4463.31 AR
Copyright Image : © Fmf
Image
Sport

Handball Malagasy – Fiadiana ny fandraisana anjara amin’ny CCOI

14/06/2024 03:05 © Moov

Notanterahina nanomboka omaly 13 jona, teny amin'ny kianja mitafo Mahamasina ny fiadiana ny ho tompondakan'i Madagasikara, taona 2023, taranja handball, senior, lahy sy vavy. Hisolontena an'i Madagasikara amin'ny fifaninanana ranomasimbe Indianina « Coupe des Clubs de l’océan-indien na ny CCOI », izay hatao eto Antananarivo ny volana Jolay ho avy izao, izay voahosotra ho tompondaka.

Miisa folo ireo ekipa mandray anjara ao amin'ny sokajy lehilahy, ka nozaraina vondrona roa izy ireo. Ao amin'ny "A", no misy ny Asco Atsimo Andrefana, tompondakan'ny taona 2022, Cosfa II Analamanga, Hasin'i Toamasina Atsinanana, ASRB Boeny, VASIA Ihorombe. Tafiditra ao amin’ny vondrona " B" kosa, ny Cosfa I Analamanga, Saint Michel Itaosy (SMI) Analamanga, Cospn Boeny, Saint Michel Amparibe ASSM Analamanga, Ascaf Analamanga. Ho an'ny vehivavy, mifanintsana ao ny My-SAH Itasy, ny Sifaka Amoron'i Mania, ny THBC Analamanga, ny Ascaf Analamanga, ny TMI Ihorombe ary ny HBCI Ihorombe.
Ho an'ireo tovolahy, ireo efatra voalohany isam-bondrona no manao ampahefa-dalana, raha toa ka manao manasa-dalana avy hatrany kosa izay efatra manana isa tsara indrindra ho an’ireo tovovavy. Marihana fa hatao any Toamasina ny volana oktobra ho avy io ny fifaninanana nasionaly taona 2024.

Ireo lalao lehibe aloha no nomanina

Nitondra fanazavana ny tale teknika nasionaly mahakasika ny fanemorana ny daty nanatontosana ny lalao fiadiana tompondakan’i Madagasikara 2023. Niezaka nitady hevitra izy ireo hanatanterahana azy nandritra ny taona 2023. Nisy ny toe-javatra tsy afaka nialana nefa ka voatery nahemotra daty hafa ny fifaninanana. Nisy ireo vinan’asa efa voafaritra ho an’ny volana voalohan’ny taona 2024. Ao anatin’izany ny fampiofanana mpanazatra tamin’ny volana Aprily sy ny iraisam-pirenena IHF TROPHY, ny volana Mey teo. Nifantoka tamin’ny fanomanana ireny lalao ireny aloha ny federasionina, araka ny fanazavana. Efa nisy kosa, hoy hatrany ny tale teknika nasionaly, ny fampanantenana hisian’ny lalao fiadiana tompondakan’i Madagasikara ka tsy maintsy notanterahina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo