• Cours de change
  • 4763.91 AR
  • |
  • $4463.31 AR
Copyright Image : © Volley
Image
Sport

VOLLEYBALL : Fandaharan-dalao

14/06/2024 03:00 © Moov

Hizara eny anivon’ireo renivohi-paritany miisa valo eto Madagasikara ireo lalao hotontosaina ho an’ireo volana manaraka.

Lalao telovolana voalohany : Jolay# Aogositra# Septambra

Hiditra ao anatin’ny enim-bolana faharoa ny federasiona Malagasy VolleyBall. Lalao valo no miandry ireo mpikatroka hatramin’ny farany taona 2024. Saika hiparitaka amin’ireo renivohi-paritany 07 manerana ny Nosy izany. Hisy fifaninanana telo mandritra ny volana Jolay. Isan’izany ny ny fiadiana tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja volleyball ho an’ny latsaky ny 14 taona, lahy sy vavy, hatao ny 13 hatramin’ny faha 20 jolay. Lalao tokony ho natao ny fialantsasatry ny paska teo izy io. Efa misokatra moa ny fisoratana anarana amin’izany, izay mifarana ny 28 Jona izao. Mila mameno ireo antontan-taratasy mifanaraka amin’izany ireo mpilalao maniry handray anjara, ary efa nisy ny fampahafantarana naparitaka any amin’ny ligim-paritra tsirairay. Hisy ny fanamarinana an’ireo mpilalao sy ny fanofanana mpitsara, alohan’ny fifaninanana, amin’ny 11 sy 12 Jona 2024.
Ny 28 hatramin’ny 4 Aogositra, hotontosaina any Toamasina ny fiadiana tompondakan’i Madagasikara ho an’ireo latsaky ny 18 taona.
Ankoatran’izay, tafiditra ho isan'ny taranjam-panatanjahantena hanamarika ireo karazan-dalao mandritra ny « Festival des baleines » ny « Beach Volley », izay fandraisana anjara voalohany ho an’ny federasiona Malagasy ny Volleyball. Lalao izay hotanterahina ny 18,19,20 Jolay izao. Ao anatin'ny ezaka fanandratana ny taranja « Beach Volley » ny Federasiona ankehitriny. Tany Seychelles farany teo dia i Madagasikara no voalohany, rehefa nandrombaka ny medaly miisa 44 (22 Volamena, 20 Volafotsy, 2 Alimo).

Lalao telovolana faharoa : Oktobra-Novambra-Desambra

Mitohy any Antsirabe ny fifaninanana ho an’ireo sokajy latsaky ny 20 taona, ny 25 hatramin’ny 01 Septambra. Maromaro ireo fihaonana hifanintsanana mandritra ny volana Septambra. Tafiditra ao anatin’izany ny an’ny diviziona faharoa, lahy sy vavy, izay hatao any Ambatondrazaka, ny 08 hatramin’ny 15 septambra. Hotanterahina eto Antananarivo kosa ny tohin’ny lalao ho any diviziona voalohany, lahy sy vavy, 21 hatramin’ny 29 septambra. Mandritra ny volana oktobra no hotontosaina ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ho an’ireo latsaky ny 23 taona. Ny ligy avy ao Matsiatra Ambony no hikarakara ny fandraisana izany lalao izany, ny 26 oktobra hatramin’ny 3 Novambra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo