• Cours de change
  • 4783.72 AR
  • |
  • $4459.88 AR
Copyright Image : © Cuisineaz
Image
Asa & Fianarana

Ankizy hanala fanadinana : ireo sakafo tsara hoanina

11/06/2024 16:25 © Moov.Mg

Efa manakaiky ny fanadinana famaranana ny taona sy ireo fanadinana ara-panjakana isan-tsokajiny. Mba ho fanohanana ny zanaka hiatrika fanadinana dia mila tohanana tsara ara-tsaina sy ara-batana amin’ny sakafo be otrikaina sy mahasalama izy ireo. Ilaina ihany koa ny manome azy ireo ny karazana sakafo mampitombo ny fifantohana, manatsara ny fitadidiana sy mampatsilo saina. Santionany amin’izy ireny ary ireto manaraka ireto.

Ny sôkôla

Efa fahenontsika matetika ny hoe ampitondraina sôkôla ny ankizy handeha hiatrika fanadinana. Manankarena singa sy otrikaina manatsara ny fiasan’ny atidoha tokoa mantsy izy io noho izy vita amin’ny « cacao ». Marihana fa ilay sôkola iny mihintsy no omena ilay ankizy fa tsy ireo vokatra ahitana sôkôla fotsiny ihany. Voalazan’ireo mpikaroka fa mampitombo ny fifantohana ary manatsara ny fitadidiana ny fihinana sôkôla matetika. Tsy ampy noho izany raha ilay andro anaovana fanadinana ihany no mihinana azy io fa mila atomboka herinandro mialoha fara fahakeliny. Atao amin’ny fatra antonony kosa nefa fa tsy atao be loatra.

Ireo voankazo namainina

Paiso maina, « raisins secs », « dattes »… karazana sakafo manatsara ny fitadidiana tokoa ny voankazo namainina ka tsara omena ny ankizy hanala fanadinana. Manankarena mineraly toy ny « zinc » izy ireo ka mandrisika ny fiasan’ny atidoha, indrindra amin’ny fampitomboana ny fitadidiana. Tsara raha omena ireny voankazo maina ireny isan’andro izany ireo ankizy mba hanampiana azy ireo amin’ny fiatrehana ny fanadinana. Mitovy fiasa amin’ny voankazo maina ihany koa ny « cacahètes », ny « amande », ny « noix »…

Ny ronono sy ny vokatra avy amin’ny ronono

Mila « protéines » ny atidoha mba hampivelatra sy hampiasa tsara azy. Ny ronono sy ny vokatra avy amin’ny ronono no isan’ny manankarena « protéines » indrindra. Ankoatra izay dia ahitana vitamina ilain’ny atidoha toy ny vitamina B12 sy B2 ao amin’izy ireo ka manampy betsaka amin’ny fiasan’ny atidoha mandritra ny fiatrehana fanadinana. Mazava ho azy fa tsy ampy ihany koa raha amin’ny andron’ny fanadinana vao hinana azy ireny fa mila hoanina herinandro maro sy isan’andro mialoha.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo