• Cours de change
  • 4783.72 AR
  • |
  • $4459.88 AR
Copyright Image : © Commune Urbaine Ambohidratrimo
Image
Asa & Fianarana

Mpianatra hiadina « gym BAC » : ireo sakafo manome tanjaka

10/06/2024 11:35 © Moov.Mg

Anatin’ny fe-potoana hanatanterahana ny adina ara-panatanjahantena ny bakalorea isika izao. Mbola maro noho izany ireo mpiadina mbola miomana ny hiatrika izany. Mba hampahomby azy ireo ary dia ireto manaraka ireto ny santionany amin’ireo sakafo manome tanjaka tsara omena ireo tanora hiatrika ny « gym BAC ».

Akondro

Isan’ireo sakafo tsara omena ny tanora hiatrika « gym BAC » ny androtry ny fanadinana ny akondro. Manankarena otrikaina maro moa ity karazana voankazo ity ka manome ny hery ilaina hiatrehana ny adina ara-panatanjahantena. Vetivety ny fotoana andevonan’ny vatana ny « glucides » sy hanodinana izany ho tanjaka ho an’ny vatana. Manampy amin’ny fisorohana ny « crampes » mandritra ny fanatanjahantena ihany koa ny akondro.

Ny tsaramaso

Manampy betsaka amin’ny fanomezana hery sy fanomanana ny vatana ho amin’ny fiatrehana ny adina ara-panatanjahantena ny fihinanana tsaramaso andro iray mialoha. Ahitana vitamina, mineraly sy « antioxydants » amin’ny tahany ambony ao anatin’izy ireny. Ankoatra izay dia manankarena « potassium », « magnésium » sy « fer » ihany koa ny tsaramaso ka mampiverina haingana ny aina ho an’ireo tanora avy nikotrana.

« Brocoli » sy legioma maitso

Ny legioma rehetra dia mitondra vitamina sy mineraly mampantanjaka ny vatana. Ny « brocoli » sy ireo legioma maitso kosa nefa dia ahitana ireo singa ireo amin’ny tahany ambony kokoa. Ankoatra izay dia mitahiry fibra sy « antioxydants » izay manampy betsaka amin’ny fampitomboana hery izy ireo. Tsara mihinana izany ireo mpiadina hiatrika « gym Bac » mandritra ny andro vitsivitsy alohan’ny fanadinana.

Atody

Sakafo iray isan’ny manankarena otrikaina indrindra ny atody. Mitondra ny fatrana « protéines » ilain’ny vatana mialoha sy aorian’ny fanatanjahantena izy io. Mampiverina ny aina ary mampitony ny fanaintainana amin’ny hozatra rehefa aorian’ny adina ara-panatanjahantena ny fihinanana atody. Ny tamenak’atody no tena tsara hoanina no izy mitahiry « protéines », « zinc » sy vitamina bebe kokoa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo