• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Addict Aide
Image
Sexualité & Mariage

Fiankinan-doha amin’ny firaisana ara-nofo : ‘ndeha ho resahana

14/05/2024 09:47 © Moov.Mg

Ny fiankinan-doha amin’ny firaisana ara-nofo na « addiction au sexe » dia tsy fahatomombanana ara-tsaina miompana amin’ny tsy fahavitana mifehy tena mikasika ny firaisana ara-nofo. Toy ny fiankinan-doha rehetra dia misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fiainana izany. ‘Ndeha ary ho fantarina ny fisehon’ny fiankinan-doha amin’ny firaisana ara-nofo, ny anton’izany sy ny fitsaboana azo atao.

Ireo fomba fisehon’ny fiankinan-doha amin’ny firaisana ara-nofo

Voajanahary eo amin’ny olombelona ny fitiavana sy ny filàna miray ara-nofo. Lazaina fa miankin-doha amin’ny firaisana ara-nofo kosa ny olona iray rehefa tsy mahatohatra izany filàna izany ka lasa mampijaly azy amin’ny fiainanana andavanandro. Anisan’ireo fambara ahafantarana izany ny :
-Fanaovana ireo fihetsika mifandraika amin’ny firaisana ara-nofo diso tafahoatra sy matetika be, toy ny fanaovana « masturbation », ny fijerena horonantsary mamoafady, ny fanaovana firaisana ara-nofo ;
-Tsy fahavitana mifehy ny filàna ara-nofo na efa manimba ny fahasalamana, ny fanambadiana na ny asa aza ;
-Mieritreritra mikasika ny firaisana ara-nofo foana ;
-Fahamenarana sy fanameloantena rehefa avy manao fihetsika mifandraika amin’ny firaisana ara-nofo ;
-Fahasahiranana mijanona amin’ny fiarahana amin’olona vokatry ny tsy fifehezan-tena amin’ny firaisana ara-nofo sy ireo fihetsika mifandraika amin’izany.

Ireo vokadratsin’ny fiankinan-doha amin’ny firaisana ara-nofo

-Maro ireo vokadratsy ateraky ny fiankinan-doha amin’ny fiaraisana ara-nofo eo amin’ny olona tratr’izany :
-Fikorontanana amnin’ny fifandraisana amin’ny vady sy amin’ny fianakaviana ;
-Fahasahiranana eo amin’ny lafiny ara-kasa na eo amin’ny fianarana ;
-Olana ara-bola vokatry ny tsy fahaizana mifehy tena manoloana ireo filàna ara-nofo sy ny fandaniana ara-bola aterak’izany (fakàna mpivaro-tena, fividianana « sexes toys », fijerana horonan-tsary mamoafady andoavam-bola…).
-Tsy fahatomombanana ara-tsaina, toy ny rarintsaina, tebiteby, tsy fahatokisan-tena ;
-Fanaovana fihetsika mamoa-doza toy ny fanaovana firaisana ara-nofo tsy voaharo, fanolanana…

Ireo antony mety mahatonga ny fiankinan-doha amin’ny firaisana ara-nofo

Sarotra fantarina ary mbola tsy voafaritra mazava ny antony mahatonga ny fiankinan-doha amin’ny firaisana ara-nofo. Misy kosa nefa ireo anton-javatra mety mitarika amin’izany, toy ny hoe :
-Niaina herisetra ara-nofo ;
-Misy olona akaiky (fianakaviana) nanana olana amin’io fiankinan-doha io ;
-Misy tsy fahatomombanana ara-tsaina ;
-Tsy fahatokisan-tena ka manjary miafina ambadiky ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Ireo fomba atao hitsaboana izany

Azo tsaboina tsara ny fiankinan-doha amin’ny firaisana ara-nofo. Maro ireo fomba fitsaboana efa misy, indrindra moa any ivelany. Anisan’izany ny :
-Fanaovana « thérapie individuelle ». Izany hoe manantona mpitsabo manokana (psychologue) mba hamantarana ireo mety antony nahatonga ilay fiankinan-doha sy mba hikarohana miaraka ny fomba hiadiana amin’izany ;
-Fanaovana « thérapie de groupe ». Izany hoe mifanantona ny olona manana io olana io, mifampiresaka, mifanohana ary mifanome torohevitra hialana amin’izany ;
-Fanaovana « thérapie familiale » izay miompana amin’ny fanarenana ireo fihavanana sy fitiavana rava vokatr’io fiankinan-doha io.
Arak’izany dia mila manantona mpitsabo ny olona manana olana amin’ny fiankinan-doha amin’ny firaisana ara-nofo. Afaka manome fanafody manampy amin’ny fitsaboana izany ihany koa moa ny mpitsabo raha ilaina izany.

Lire la suite

Articles Similaires