• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Fankalazana ny fetin’ny 26 jona : Nivory voalohany ny kômity mpikarakara

06/05/2024 20:26 © Moov

Efa ho roa volana latsaka kely sisa dia tonga indray ilay andro manan-danja indrindra amin’ny Malagasy dia ny fiverenan’ny Fahaleovantenan’ny Madagasikara izany. Efa manomboka ny fikarakarana izany lanonana izany. Nanatanteraka ny fivoariana voalohany ho fanomanana izany ireo mpikambana ao amin’ny komity mpiakarakara anio.

Ampatsiahivina fa faha-64 taonan’ny niverenan’ny fahaleovantena izao ho ankalazaina amin’ity taona 2024 ity izao.

Fiaraha-mientana

Eo ambany fitarihan’ny Jeneraly Rakotondramamy Jimmy Clark ao amin’ny Ministeran’ny foloalindahy ity komity ity. Miara-misalahy amin’izany, manampy azy ireo ihany koa ho amin’ny famolavolana ny hetsika ny herivelona maro eto amin'ny firenenana izay ahitana ny fiadidiana ny repoblika sy ireo minisitera samihafa. Anisan’ny nanatrika ity fivoriana voalohany ity rahateo ny minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, Rakotondrazaka Andry sy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police, Rakotoarimanana Herilala. Hiara-hientana ireo rehetra ireo araka izany satria misy ny zava-baovao izay ho hatolotra ny Malagasy. Anisan’ny tanjona kendrena ihany koa ny hanentanana ny vahoaka Malagasy, ny olom-pirenena rehetra hamerenan'izy ireo ny hambom-po amin'ny fitiavan-tanindrazana indray.

Hetsika vaovao

Samy handray anjara feno amin’ny fanatanterahana ny asany tsirairay avy ireo mpandray anjara mpamolavola ireo satria mbola lehibe sy mahafinaritra noho ny teo aloha rehetra ny vinavina. "Tsy maintsy hisy ny zava-baovao mahaliana hampisongadina ny fankalazana anaty fifaliana sy firavoravoana ary hanasongadinana ny famirapiratana" hoy ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Sahivelo Monja Delphin nandritra ny lanonam-panokafana ny fivoriana. Tsy ambakan’izany ihany koa anefa ny fankalazana any amin’ny faritra izay ankoatra ny lanonana ara-miaramila. Tsy maintsy homena endrika vaovao ny lanonana samihafa hotanterahana eny amin'ny renivohim-paritany manerana ny Nosy.
Araka izany, dia hiroso avy hatrany amin'ny famolavolana ireo hetsika sy seho samihafa ny Komity manomboka izao. Hisy hatrany ny fampahafantarana ho ampitain'izy ireo ombieny ombieny amin'ny vahoaka mba hizoran'izany fankalazana izany ao anatin'ny filaminana tanteraka. Hivoaka manaraka eo ihany koa ny lohahevitra izay hitondrana ny fankalazana ary ny komity mpikarakara hatrany no hamaritra izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo