• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Astuces De Grand-Mère
Image
Fahasalamana&Sakafo

Torohevitra sy vahaolana fikarakarana ny sakafo mavesatra

17/04/2024 09:16 © Moov.Mg

Maro tokoa ny olona sahirana rehefa mihinana sakafo mavesatra, toy ny voamaina, ny laisoa, ny ravitoto na koa ny mangahazo. Anisan’ny antony mahatonga izany ny aretim-bavony na ihany koa ny tsy fahazakan’ny taova fandevonan-kanina azy ireny. Ireto ary misy torohevitra sy vahaolana vitsivitsy mikasika ny fikarakarana ny sakafo mavesatra.

Rehefa mahandro voamaina

Ny voamaina no isan’ireo sakafo mavesatra sarotra levonin’ny vavony. Mba tsy ankarary vavony rehefa mihinana azy ireny ary dia toy izao no fomba fandrahoana azy :
-Mampangotraka rano aloha izay vao harotsaka ao ny voamaina ;
-Avela hiketrika mandritra ny 5 minitra ny voamaina avy eo ariana ny rano nampangotrahana azy ;
-Avy eo andrahoina anaty rano vaovao izy ireo mandrapaleminy ;
-Asiana tongolo iray novoasana fa tsy mitetika ao anatiny.

Ny atao rehefa mahandro laisoa

Rehefa andrahoina ny laisoa no tena mavesatra ho an’ny vavony. Mba hanamaivanana azy ary dia toy izao ny fikarakarana azy :
-Sasana tsara ary tetehina araka izay hitiavana azy ny laisoa ;
-Mampangotraka rano ary arotsaka ao ny laisoa efa avy notetehana teo ;
-Avela hangotraka mandritra ny 10 minitra eo ho eo ary ariana ny ranony avy eo ;
-Arotsaka manarak’izay ny fangarony izay efa noketrehina kely tamin’ny vilany hafa satria manjary tsy malemy raha tonga dia ampiarahana amin’ilay laisoa efa notenehana ;
-Asiana siramamy tapaky ny sotrokely ny nahandro.

Fomba fandrahoana ny ravitovo

Maro dia maro tokoa ny olona mankafy ravitoto nefa tsy mahazaka mihinana azy ireny. Mba ahatonga azy tsy ankarary vavony ary dia :
-Andrahoina toy ny fanaovana azy mahazatra ny ravitoto. Izany hoe atao anaty vilany, asiana rano ary avela hiketrika mandritra ny 20 minitra eo ho eo. Tapohana rano raha mitady ho ritra ;
-Asiana siramamy 1 sotrokely sy tongolo voavaofy fa tsy mitetika 1 ;
-Arotsaka ny fangarony ary avela hiaraka hiketrika eo ny rehetra mandrapa masany.

Fomba fikarakarana ny mangahazo

Ny mangahazo no isan’ny haninkotrana mavesatra ary hevirana mankarary vavony indrindra. Ho an’ireo tsy mahazaka azy ireny nefa te hihinana ary dia toy izao no fomba handrahoana azy :
-Voasana ary sasana tsara ny mangahazo ;
-Tetehana araka izay habeny hitiavana azy ;
-Andrahoina mandritra ny 10 minitra eo ho eo dia ariana ny ranony ;
-Averina ketrehana miaraka amin’ny rano vaovao hanamasahana azy ;
-Asiana sira kely iray tsongo mba tsy havesatra be.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo