• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Pourquoi Docteur
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tsy fahampian-drà : Voankazo sy legioma no sakafo fototra fa tsy hena

16/04/2024 13:46 © Moov

Alaim-panahy isika matetika hihinana hena isan-karazany rehefa misy fambara amin'ny aretina tsy fahampian-drà. Tsy vitsy ireo manoro hevitra ny mba hihinanana "steak saignant" na kitonotono. Tsy izany mihitsy nefa ny hevitry ny mpitsabo : legioma sy voankazo no atao sakafo fototra.

Mitsabo tena

Hoho silaka foana, harerahana matetika, lokon-koditra mihafotsy na mihamangana, aretin'andoha lava : anisan'ny fambaran'ny aretina "Anémie" ireo. Tsy misy afaka manamarina nefa hoe tsy fahampian'ny rà no manjo ny olona iray raha tsy ny mpitsabo ihany. Misy "analyses" maromaro atao ka eo no hahalalana raha sanatria tsy ampy rà na tratran'ny aretina hafa. Mbola ny mpitsabo ihany avy eo ny mamaritra ny "traitement" arahina, mba hiverenan'ny fahasalamana tanteraka. Raha efa reraka na misy ahiana ny fahasalaman'ny marary dia mety hiditra hopitaly mba hahamora ny fanaraha-maso ataon'ny mpitsabo.
Mba isorohana ny tranga manahirana, tsara hatrany ny manantona dokotera raha vao misy mampiahiahy. Lasa fahazarana mantsy ny manontany ny hevitry ny hafa ao amin'ny tambazotra sosialy, ka samy manoro "fanafody" na "fitsaboana samihafa" eo avokoa na tsy fantatra akory aza ilay aretina sy ny mikasika ilay marary.

Mihinana sakafo ara-pahasalamana

Anisan'ireo mahatonga ny "anémie" ireo akora simika amin'ny sakafo mafilotra sy ny fomba fisakafoanana tsy ara-pahasalamana. Rehefa hamarinin'ny mpitsabo fa tena tsy ampy rà ny marary iray dia misy fanafody maromaro raisina mandritra ny fotoana tsy voafetra. Tena manampy betsaka amin'ny fahasitranana ny sakafo. Araka ny voalaza etsy ambony, tsy hoe tsy ampy rà akory dia hihinana hena mena. Marefo mantsy ny vatana ka mety hahazoana aretina hafa izany. Ny legioma sy ny voankazo no tena atao betsaka. Misy menaka ara-pahasalamana ilain'ny vatana ihany koa. Raha fintinina dia mila sakafo be "fer" sy "cuivre" ireo olona tsy ampy rà.

Sakafo misy "fer"

-Lentilles, petit pois, soja
-Amande, flocon d'avoine
-Tamenak'atody
-Noix de coco
-Paiso mena, frezy
-Epinard, anandrano
-Datte

Sakafo misy "cuivre"

-Ovy, betterave
-Champignon de Paris
-Sokola mainty (misy kakao 40%)
-Voanjo, graine de sésame, noix de cajou,
-Crevette.
Raha te hihinana hena dia atinkena sy hazan-dranomasina no tena mety. Amporisihana ihany koa ny fihinanana voamaina isan-karazany. Tsy adino ny fisotroana rano betsaka, 1,5 litatra isan'andro farafahakeliny.

Ireo sakafo voarara

Mba hisorohana ny hifitaran'ny aretina, tsara raha mifady ireto sakafo ireto :
-Kafe
-Divay
-Alikaola
-Vokatra misy akora simika (Jus misy "conservateur", charcuteries, ...)
Mila ahena ny vary ka soloina ovy izany. Mila lanjalanjaina ihany koa ny fihinanana ireo vokatra azo avy amin'ny ronono. Tsara raha mangataka torohevitra avy amin'ny mpitsabo mikasika ny "régime alimentaire" mila arahina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo