• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Autisme Madagascar
Image
Vaovao

Andro eran-tany ho an’ny « autisme » : Loko manga, ho fiaraha-mientana amin’ireo olona « autistes »

01/04/2024 15:25 © Moov.Mg

Marihina isaky ny 2 aprily ny andro maneran-tany ho fanentanana momba ny « autisme ». Tanjon’ity hetsika fanao isan-taona ity ny mba hisitrahan’ireo olona « autiste » sy ny fianakaviany ny zony, izay mbola matetika no voahosihosy.

Entina mandra-maty

Nanomboka tamin’ny taona 2007 no nanokanana ny andron’ny 2 aprily ho andro eran-tany ho fanentanana sy fampahafantarana momba ny « autisme ». Na efa mihamaro aza ny olona mahalala ny momba azy ity, raha ny eto Madagasikara, dia mbola marobe ihany koa ireo tsy mahafantatra azy, antony mbola anatanterahana hetsika fanentanana foana. Sady ho fampahafantarana ny « autisme » amin’ny besinimaro izany, no hanehoana ihany koa fa misy olona « autistes » eto Madagasikara ary manana ny zony feno, toy ny olona rehetra ihany izy ireo. Raha ny antontan’isa dia tombanana ho ny 1% amin’ny mponina maneran-tany no « autiste ». Tsy misy kosa hatreto ny antontan’isa manokana momba an’i Madagasikara. Tsiahivina fa toe-tena ny « autisme », izany hoe : tsy misy fanasitranana azo atao aminy fa entina mandra-maty izy.

Loko mampitony

Fomba iray fanao, entina manamarika ny andro eran-tany ho fampahafantarana momba ny « autisme » ny fitondrana loko manga : akanjo, kiraro, kojakoja samihafa… rehefa 2 aprily. Ireo vakoka lehibe maneran-tany ihany koa dia ravahana jiro miloko manga, ho fiaraha-mientana amin’ireo olona « autistes » sy ho mariky ny fanohanana azy ireo amin’ny tolona iainany sy ny fianakaviany amin’ny andavanandro. Nosafidiana ny loko manga, satria raha ny fandinihana dia io no loko ankafizin’ny olona « autiste » indrindra. Malefaka mantsy ny loko manga ka mampitony. Isan’ireo ady atrehin’ny olona « autiste » sy mbola manahirana, na eto Madagasikara, na aiza na aiza maneran-tany, ny momba fisitrahan’ny ankizy « autiste » fanabeazana, noho ny fahavitsian’ny sekoly sy ivon-toerana manaiky mandray azy ireny. Rehefa lehibe indray, dia mbola tena sahirana ny olona « autiste » vao tafiditra ao anatin’ny sehatry ny asa, raha ho tafiditra, noho ny mbola fanjakan’ny fanilikilihana mahazo azy ireny.

Lire la suite

Articles Similaires