• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Torrefactory
Image
Asa & Fianarana

Asa : Torohevitra hanararaotana tsara ny fotoana fakana aina

19/03/2024 11:18 © Moov.Mg

Maro ny vokatsoa avy amin’ny fakana fotoana fakana aina na fitsaharana kely amin’ny asa ao anatin’ny tontolo andro. Anisan’izany fakana aina amin’ny atoandro, mandritra ny fotoana fisakafoanana. Mba hanararaotana tsara izany fotoana natokana hitsaharana kely amin’ny asa izany ary dia ireto misy torohevitra vitsivitsy tsara ampiharina.

Misintaka kely ny birao mandritra ny fotoana fakana aina

Voararan’ny lalàna ny fampiasana ny mpiasa mandritra ny adiny 8 ora tsy ankiato. Mila maka aina ny saina sy ny vatana mba hiarovana izany amin’ny arerahana be loatra sy ny mety ho aretina aterak’izany. Mandritra ny fotoana fakana aina dia tsara raha misintaka kely ny birao na ny toerana fiasana mihintsy ny mpiasa. Mitony kokoa ny saina sy ny vatana rehefa miova ny tontolo hialana sasatra. Ho an’ireo miasa amin’ny solosaina moa dia atao mijery lavitra na zava-maitso ny maso mba tsy ho reraka. Tsy adinoina ny mampiasa vatana kely satria mandreraka ihany koa ny fipetrahana maharitra.

Miaraka miala voly amin’ny namana mpiara-miasa

Mitondra hafaliana, fitoniana ara-tsaina ary mampazoto miasa ny fifaneraserana sy ny fiarahana miala voly amin’ny namana mpiara-miasa. Fotoana iray azo anatanterahana tsara izany ny fotoan’ny fakana aina rehefa amin’ny atoandro. Maro ny karazana fialamboly azo atao, toy ny milalao karatra, miresadresaka zavatra mampiomehy, manao fanatanjahantena ho an’ireo mankafy izany… Ezahana kosa nefa ny tsy miresaka mikasika ny asa na zavatra mifandraika amin’izany. Ankoatra ny fampialana voly dia manampy betsaka amin’ny fanatsarana ny fifandraisana eo amin’ny samy mpiara-miasa ny fanaovana izany.

Miala voly irery amin’ny alalan’ny famakiana boky, fiainoana hira…

Maro ireo karazana olona tia maka toerana milamina sy tsy misy tabataba rehefa maka aina. Mitony kokoa ny saina sy ny vatan’izy ireo rehefa misintaka kely ireo rehetra mahakasika ny asa. Mandritra izany fotoana izany dia fialamboly mahafinary azo atao irery ny famakiana boky (ilay tsy mampiasa saina be loatra), ny fijerena « vidéo » mampiomehy ao anaty « Facebook », ny fihainoana hira… Azo atao ihany koa nefa ny mipetraka fotsiny, tsy manao n’inonina fa atao maka aina avokoa na ny maso, na ny saina na ny vatana iray manontolo. Mampahazo aina ihany koa ny fanaovana « sieste » raha misy toerana azo anaovana izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo