• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Siams
Image
Asa & Fianarana

Torohevitra hampizotra tsara ny fidirana miasa voalohany

14/03/2024 11:22 © Moov.Mg

Samy mandalo izany fidirana miasa voalohany izany avokoa ny olona rehetra, na ireo izay vao sambany vao miasa na ireo niova orinasa. Maro ny fanontaniana mivangongo ao an-tsaina : ahoana ny fomba fiasa ao amin’ilay orinasa ? Manao ahoana ny mpiara-miasa ? Mba hampizotra tsara ny fidirana miasa voalohany dia ireto ary misy torohevitra vitsivitsy tsara ampiharina.

Manaja ny ora fiasana

Tsy atoro antsika intsony ny maha zava-dehibe ny fahatongavana ara-potoana, indrindra eo amin’ny sehatry ny asa. Raha vao manomboka miasa amin’ny toeram-piasana iny dia mila tandremana tsara ny fanajana ny ora fidirana sy ny ora firavana. Anisan’ireo zavatra hitsaran’ny mpampiasa ny fahavononana sy ny fahazotoana miasa moa izany. Ny tsara dia miainga aloha any an-trano mba hisorohana ny fahatarana vokatry ny fitohanan’ny fifamoivoizana na ny zavatra tsy am-poizina rehetra mety hitranga eny an-dalana eny.

Manao fitafy mendrika

Toy ny fitondran-tena dia manan-danja lehibe ihany koa ny fitafy sy ny endrika ivelany eo amin’ny tontolon’ny asa. Raha vao miditra miasa voalohany iny dia tsara raha manao fitafy mendrika sy tsy miavaka amin’ny fitafin’ny mpiara-miasa. Mila fantarina izany dieny teo am-panaovana « entretien » tao amin’ny toeram-piasana. Azo atao ihany koa ny manontany ny mikasika izany amin’ny olona mampanao « entretien ». Amin’ny andro voalohany hidirana miasa dia fitafy tsotra nefa mihaja no anaovana. Ovaina miandalana mifanaraka amin’ny fitafin’ny mpiara-miasa izany rehefa mandeha ny fotoana.

Mampiseho fahavononana sy fahazotoana hatrany

Dieny andro voalohany hidirana miasa dia mila aseho ny lehibe sy ny mpiara-miasa ny fahavononana sy ny fahazotoana miasa. Miezaka manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asa sahanina. Fadiana ny manapatapaka. Izany hoe rehefa misy zavatra tsy azo ialana mihintsy vao tsy miasa, indrindra mandritra ny « période d’essai ». Tanterahana anaty tsikitsiky ny asa mba ahatsapan’ny mpiara-miasa fa olona mahafinaritra sy tsara hiara-miasa.

Manetry tena sy mahazoto mianatra zava-baovao

Tsy voatery voafehy avokoa ny asa atao rehefa vao miditra miasa amin’ny orinasa iray. Mila fantarina miandalana ireo fitaovana ampiasain’ny orinasa, ireo fomba fiasa mampiodina azy, ny fitsipa mifehy ny mpiasa… Mba ahafahana mahafantatra ireny rehetra ireny dia ilaina ny mifandray amin’ny mpiara-miasa sy mametraka fanontaniana amin’izy ireo. Ilaina indrindra ny fanana fanetre-tena mba tsy ho menatra na ho sadaikatra hanontany ireo zavatra tsy hay na tsy voafehy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo