• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Nationale

Mercy Ships : Manaraka ny fenitra rehetra takiana ny fitehirizana ny sakafo

23/02/2024 08:12 © Moov

Vita soa aman-tsara ny fitsirihana ireo sakafo tehirizina ao amin'ny Sambo hôpitaly Mercy Ships. Nitarika ny fidinana tao Toamasina ny ny Tale misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC) sy ny Talen’ny Varotra Anatiny (DCI) ary ny Talem-paritra (DRIC) Atsinanana.

Fiarovana ny mpanjifa

Arahin’ny Minisiteran’ny Varotra maso akaiky ny fitehirizana sy fikarakarana sakafo ho an’ireo mpiasa sy ny marary eny ambonin’ny sambo “Mercy Ships”. Misy mantsy ireo sakafo efa nentin'ireo vahiny avy tany amin'ny toerana niaingan'ilay sambo : ranomboankazo, ronono, PPN, yaourt, legioma, sns.

Hita tamin’izany fa manaraka ny fenitra rehetra takiana ny fitehirizana ny sakafo ary tsy misy ahiahy ny momba izany. Mbola handray an-tanana ny fitsirihana ireo sakafo mbola ho tonga avy any ivelany ihany koa ny ministeran'ny varotra.


Copyright Image : © MICC

Fiarahamonina eny ambony rano

Mandritra ny roa taona no miantsona eto Madagasikara, ao amin'ny seranantsambon'i Toamasina, ny Sambo hôpitaly lehibe Mercy Ships. Tena fiarahamonina kely araka izany no ao anatiny. Maherin'ny 400 ireo olona mitoetra sy mifamezivezy. Tsy ireo dokotera sy mpitsabo mpanampy ihany no ao, fa misy ihany koa ny mpikarakara sakafo, ny mpanadio ny sambo, ny mpanamory, ny teknisianina, sns. Na dia manana tahirin-tsakafo aza izy ireo dia tsy maintsy manampy ireo akora ilainy eny an-tsena. Tsy azo lavina fa mitondra fiovana goavana eo amin'ny ekonomia ao Toamasina ny fisian'ireo vahiny marobe.
Marihana moa fa hisokatra tsy ho ela ny fisoratana anarana hisitrahana ny fandidiana maimaimpoana ao Toamasina.


Copyright Image : © MICC

Lire la suite

Articles Similaires