• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Fifidianana : Ny 29 mey ho an’ny Solombavambahoaka, ny 6 novambra ho an’ny Ben’ny tanàna

12/02/2024 14:46 © Moov.Mg

Nampahafantarin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleo tena Misahana ny Fififdianana (CENI) androany ireo daty hanatanterahana ny fifidianana Solombavambahoaka sy ny fifidianana Ben’ny tanàna miaraka amin’ireo Mpanolotsain’ny tanàna, amin’ity taona ity, eto Madagasikara.

Andro roa samy hafa

Andro roa samy hafa no hanatontosana izany fifidianana Solombavambahoaka sy fifidianana Ben'ny tanàna miaraka amin’ireo Mpanolotsaina monisipaly izany, araka ny volavolana tetiandro natolotry ny birao maharitry ny CENI teny anivon’ny governemanta, tamin’ny zoma lasa teo. Araka izany, raha tsy misy ny fiovana dia hatao ny alarobia 29 mey 2024 ny fifidianana Solombavambahoaka, ary ny alarobia 6 novambra 2024 no hanatanterahana ny fifidianana Ben'ny tanàna sy Mpanolotsaina. Ho an’ny fifidianana depiote dia ny 28 martsa hatramin’ny 6 aprily no fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidiana ary eo anelanelan’ny 8 mey hatramin’ny 28 mey no hanatanterahana ny fampielezan-kevitra. Ho an’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolotsaina kosa dia ny 8 jolay hatramin’ny 22 jolay no daty hametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidiana ary ny 16 ôktôbra hatramin’ny 5 novambra no hanaovana ny fampielezan-kevitra.

Tapitra fe-potoam-piasana

Nitondra fanazavana ny amin’ny antony hanatontosana ny fifidianana Solombavambahoaka mialoha ny fifidianana Ben’ny tanàna ny filohan’ny CENI, Dama Arsène Andrianarisedo. Nambarany tamin’izany fa voasoratra ao anaty Lalàmpanorenana ary tsy azo ialana ny fanatanterahana fifidianana depiote, eo anelanelan’ny 30 jona hatramin’ny 22 mey, noho ny fe-potoam-piasan’izy ireo mifarana ny 1 jolay. Ho an’ny Ben’ny tanàna kosa dia efa nisy ny fangatahana ny hevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Araka ny fanapaha-kevitra navoakan’ny HCC ny 25 janoary 2024 dia mitohy mandritra ity taona ity ny asan’ny Ben’ny tanàna sy ireo Mpanolotsaina, noho izany, azo tanterahina ny fifidianana, na any amin’ny faran’ny taona aza. Tsy nampiarahana moa ireo fifidianana roa ireto, araka ny fanazavan’ny filohan’ny CENI hatrany, mba hanamorana sy hampirindrana ny fanatanterahana azy. Vata fandatsaham-bato tokana kosa no hampiasaina, amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolotsain’ny tanàna.

Anto-bola samy hafa

Momba ny anto-bola, 10 tapitrisa Ar izany ho an’ireo kandida ho Solombavambahoaka. Notazonina ho toy ny teo aloha ihany kosa ny an’ireo kandida Ben’ny tanàna. Raha ny antobola tamin’ny taona 2019 nanatanterahana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolotsaina farany dia mitsinjara ho toy izao : 10.000.000 Ar ny an’ny eto Antananarivo renivohitra. Ho an’ny kaominina an-drenivohitra sokajy voalohany, toa ireo renivohi-paritra, dia 5.000.000 Ar. Ho an’ny kaominina an-drenivohitra sokajy faharoa, manana Mpanolotsaina 19 isa : 2.000.000 Ar. Raha manana Mpanolotsaina 15 isa : 1.100.000 Ar. Raha manana Mpanolotsaina 13 isa : 1.000.000 Ar. Raha manana Mpanolotsaina 11 isa : 900.000 Ar ary raha manana Mpanolotsaina miisa 9 : 800.000 Ar. Ny anto-bola ho an’ny kaominina ambanivohitra kosa dia mizara roa. Ho an’ny kaominina manana Mpanolotsaina miisa 7 dia 700.000 Ar ary 600.000 Ar kosa ho an’ireo manana Mpanolotsaina miisa 5.

Lire la suite

Articles Similaires