• Cours de change
  • 4774.08 AR
  • |
  • $4466.15 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Culture

Fandroana Andriaka : Fombandrazana Antemoro Anakara, hatao any Vatomasina Vohipeno

11/10/2023 17:28 © Moov.Mg

Hotontosaina amin’ny volana desambra ho avy izao ny fomba amam-panao Fandroana Andriaka, izay mampiavaka ireo foko Antemoro Anakara avy ao Vatomasina Vohipeno, any amin’ny Faritra Fitovinany. Eo am-panomanana ity hetsika ara-pomban-drazana lehibe ity ny fikambanana FIZANAKARA ankehitriny ary hanao hetsika hitadiavam-bola ho fanatontosana izany.

Fivahinianana masina
Voalaza fa taranak’i Ali-Tawarath na Ralitavaratra, izay taranaka jiosy ary mpisorona tao Maka (La Mecque), izay nanapa-kevitra ny hifindra honina taty Madagasikara, ireo Antemoro Anakara. Manana ny fomba mampiavaka azy izy ireo, ka isan’ireny ny Fandroana Andriaka. Miendrika fivahinianana masina izy io, izay azon’ny olona rehetra andraisana anjara, na dia tsy avy amin’ity foko ity aza, rehefa mahatandrina ny fady. Ny andro mialohan’ny daty hanatanterahana ny fomba, dia manazava amin’ny olona rehetra, indrindra amin’ireo vahiny, ny tokony atao sy ny fady, ireo ray aman-dreny ao an-tanàna. Maro fady mantsy ity fomba ity, toy ny henan’omby, ny kisoa, ny toaka… Tsy azo atao ihany koa ny manao akanjo fohy ambony lohalika, ny taovolo dia tokony hanaraka ny taovolo nentim-paharazana, ho an’ny vehivavy, ary misatroka harefo. Tsy azon’ny lehilahy mirandrana atrehina ihany koa ny Fandroana Andriaka.

Miankina amin’ny vintan’andro
Rehefa tonga ilay andro hanatanterahana ny fomba dia mifoha vao maraina izao mpizaika ary manao dia maro mankeny amoron-dranomasina, izay toerana handroana. Mandro avokoa ny rehetra rehefa tonga eny. Midika ho fidiovana sy fibebahana io fotoana io, mba hiatrehana ny taona vaovao. Rehefa vita izay dia manao diabe indray, miara-miverina any Vatomasina, toerana hamaranana ny fomba. Misy olona voatokana mandalo amin’ny ranon’i Mahazomora, maka rano eo ary mizara izany amin’ireo mpizaika. Sokajiana ho rano masina izy io, ka azo ampiasaina amin’izay ilàna azy, hoy ny fanazavana nentin’i Tsaratsiry Dominique, mpirakitra sora-drazana, mpandala ny Sorabe. Nomarihiny fa tsy mbola fantatra ny daty marina hanatanterahana ny Fandroana Andriaka, fa miankina amin’ny vintan’andro, ka ireo Katibo, mpahay Sorabe, no mamaritra azy

Hetsika eo amin’ny zaridainan’Antaninarenina

Fa fotoana araraotin’ireo mpikarakara koa ny Fandroana Andriaka, mba hampahafantarana an’i Vohipeno sy ny mampiavaka azy. Araka izany dia maro ny vahiny andrasana ho avy any an-toerana, hoy i Nicole Rasoavololona, filohan’ny fikambanana Tsiky Kely d’Emmy. Mba ho fandraisana azy ireo sy ho fanomanana ny hetsika dia mikarakara fitadiavam-bola ny fikambanana FIZANAKARA sy ny fikambanana Tsiky Kely d'Emmy. Ny 14 sy 15 oktobra izao no hanatontosana izany, eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Varotra fampirantiana hampahafantarana ny Fandroana Andriaka no ho hita eny an-toerana, ary koa hampahalalana ny kolontsain’ny Antemoro Anakara. Maimaim-poana ny hetsika, fa izay foy no harotsaka. Hisy ihany koa ny fanomezana Tsodrano avy amin’ireo Randriambe sy famelabelaran-kevitra, mandritra ireo roa andro ireo. Ny harivan’ny sabotsy 14 oktobra dia hisy ny lanonana fisakafoanana arahin-dihy, ao amin’ny Le Louvre Antaninarenina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo