• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Weelz
Image
Madagasikara

Fifamoivozana : tena ilaina ve ny catadioptre amin’ny bisikleta ?

14/09/2023 15:15 © Moov.Mg

Anisan’ny iharan’ny lozam-pifamoivozana matetika ireo mpitondra bisikileta mampiasa ny arabe. Mazàna moa dia ny tsy fahitan’ny mpitondra fiara na ny mpitondra kodiaran-droa azy ireny no mahatonga ny loza. Maro amin’ireo bisikileta niharan’ny loza no tsy misy catadioptre. Fa inona tokoa moa ny catadioptre amin’ny bisikileta ary inona no ilàna azy ireny ?

Inona ny atao hoe catadioptre ?

Ny catadioptre dia fitaovana iray manome tara-pahazavana rehefa tarafin’ny jiro. Ny antony nanamboarana azy ireny moa dia mba hahafahan’ireo mpampiasa fiara, toy ny mpitondra fiara sy kodiaran-droa, mahita ireo hafa mampiasa izany amin’ny alina. Amin’ny ankapobeny dia apetaka amin’ny zavatra na fitaovam-pitaterana ny catadioptre mba hanavahana sy hahitana ireto farany amin’ny maizina. Rehefa tarafin’ny hazavana na tarafin’ny jiro vao mipoitra ny tara-pahazavana avy amin’ny catadioptre.

Inona no ilaina ny catadioptre amin’ny bisikileta ?

Ilaina indrindra amin’ny fiarovana ny mpitondra bisikleta eny amin’ny arabe rehefa andro maizina ny catadioptre. Samihafa amin’ny fiara sy ny kodiaran-droa tokoa mantsy ny bisikleta. Ny fiara sy ny kodiaran-droa dia samy misy jiro manazava eo aloha sy aoriana. Sady manazava ny lalana moa no mampahafantatra ny fisiana amin’ireo mpampiasa arabe hafa ireo jiro ireo. Ny bisikleta etsy ankilany tsy misy jiro. Ny catadioptre no hany fomba ahafahan’ny mpampiasa lalana hafa mahita ny fisiana rehefa maizina sy amin’ny alina. Ho mora hitan’ny mpamily avy any alavitra noho izany ny bisikleta misy catadioptre ka mihena ny « risque » handomany azy.

Ahoana no fampiasana ny catadioptre amin’ny bisikleta ?

Araky ny voalaza teo aloha dia mila tsilovin’ny jiro ny catadioptre vao mamoaka ilay tara-pahazavana rehefa maizina ny andro. Mba hahatonga azy mahomby tsara dia mila safidiana ireo toerana ametahana azy eo amin’ny bisikileta. Ny eo aloha sy eo aorian’ny bisikleta moa no ilaina indrindra mba ahitan’ny mpampiasa lalana mifanena na ao aoriany. Tokony asiana catadioptre ihany koa ny kodiarana roa sy ny « pédales » roa. Izany dia mampitombo ny tara-pahazavana hitan’ny mpampiasa lalana sasany eny aminy rehefa amin’ny maizina.
Raha tena mandeha alina matetika nefa mitondra bisikileta, azo atao tsara ihany koa ny manao gilet misy "bandes refléchissantes".

Lire la suite

Articles Similaires