• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Jono : Notolorana fampitaovana sy amboara ireo mpanjono ao Morondava

18/08/2023 16:28 © Moov.Mg

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany ny 18 Aogositra tao Morondava ny Androm-pirenena ho an’ny Toekarena Manga. Tonga nanome voninahitra ny fotoana sy mandray anjara amin’izany ny ministry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Paubert.

Ankoatra ny laha-teny maro samihafa mahakasika ny sehatry ny jono sy ny toekarena manga dia nanamarika ny fotoana androany ihany koa ny fanolorana fampitaovana sy amboara an’ireo mpanjono.

Fanampiana ireo mpanjono

Notolorana « tableau météorologique » ireo mpanjono ao amin’ny tanànan’ny Morondava androany. Hanampy azy ireo hamantatra ny mety ho toetry ny andro efatra andro mialoha io fitaovana io. Tsara ny manamarika fa misy hifandraisany tanteraka ny asa fanjonoana sy ny toetry ny andro, indrindra ho an’ireo mpiondrana an-drano. Fomba iray hiarovana ireo mpanjono amin’ny mety ho loza andranomasina araka izany ny fanolorana azy ireo izany fitaovana hahafahana mamantatra ny toetry ny andro izany.
Ankoatra ity fitaovana famantarana ny toetry ny andro ity dia notolorana fitaovana hanampy azy ireo amin’ny fiarovana ny tenany ihany koa ireo mpanjono. Izao no tontosa dia noho ny fisian’ny tetikasa SWIOFish2, izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola.

Lalao nanentanana ny rehetra

Anisan’ny nampiavaka ny fankalazana ny androm-pirenena ho an’ny Toekarena Manga ihany koa ny fikarakarana hetsika samihafa. Nisy tokoa ny fifaninana tamin’ny lakana, ny fanadiovana ny moron-dranomasina, sy ny fifaninana tamin’ny diabe izay nahafahan’ny rehetra nandray anjara. Nisy araka izany ny fanolorana fankasitrahana ho an’ireo mpandresy isaky ny lalao izay natao. Ny ministry ny Toekarena Manga, Mahatante Paubert no nanolotra ireo amboara ho an’ireo izay nahazo voalohany.
Zava-dehibe ho an’ny firoboroboan’ny jono sy ny toekarena manga ny fikarakarana hetsika toa izao natao izao. Fotoana iray ahafahana mampianatra sy mampahafantatra ny olona ny maha-zava-dehibe ny fikoloana ny tontolo an-dranomasina sy anaty rano tokoa izao. Tsiahivina fa antoky ny fampiroboroboana ny jono sy ny toekarena manga ny fahafantaran’ny rehetra ny maha-zava-dehibe io tontolo anaty rano io, na izany amin’ny resaka fanjarin-tsakafo, na izany amin’ny resaka fivelarana ara-ekonomika.

Lire la suite

Articles Similaires