Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina nandritra ny herinandron'ny 10 jolay 2023
Ny lafiny politika hatrany no tena misongadina, indrindra moa fa efa tafiditra amin'ny vanim-potoana fanomanana ny fidianana isika izao. Tsy azo atao ambanin-javatra kosa nefa ireo vaovao mikasika ny ekonomia, ny sosialy, ny fizahan-tany ary ny kolontsaina.
Fifidianana filoham-pirenena 2023
Tamin'ity herinandro ity no nanapahan'ny filan-kevitry ny Governemanta ireo datim-pifidianana izay ho filoham-pirenena 2023 eto Madagasikara. Ho tanterahina ny 9 novambra ny fihodinana voalohany ary ny 20 desambra ny fihodinana faharoa. Araka izany, ny 10 oktobra no daty ofisialy anombohana ny fampielezan-kevitra. Ny 23 Aogositra ho avy izao kosa no fisokafan'ny fametrahana antontan-taratasy ho an'ireo kandida.
Anisan'ny niteraka resabe ihany koa ny fampiakarana avo efatra heny ny "caution". Ireo rehetra izay te hilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena dia mila mandoha 200 tapitrisa ariary, na iray miliara fmg. Raha mahazo 10% amin'ny vato manan-kery moa vao averina io vola io. Na dia teo aza izany, tsy mihemotra ny ankamaroan'ireo kandidà. Ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana ohatra dia efa nanao fanambarana ny amin'ny fahavononany hatrany.
Araka ny nambaran'ny teo anivon'ny Governemanta, sivana izany mba tsy ho maro loatra ny kandida hirotsaka amin'ny fifidianana. Entina anampiana ny CENI ihany koa ny vola mba hampizotra tsara ny fikarakarana rehetra.
![](https://cms.moov.mg/uploads/350644397_222393123909196_6300307244979405366_n_17222c2e92.jpg)
Fankalazana ny fetim-pirenena Frantsay
Teny Ivandry no nanatontosana ny fankalazana ny fetim-pirenena Frantsay teto Antananarivo. Olo-manan-kaja maro no vory lanona tamin'izany, na ireo avy amin'ny fitondrana, na ireo avy amin'ny antoko mpanohitra. Tazana teny an-toerana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay tsy nanatrika ny fankalazana ny fetim-pirenena Malagasy teny Mahamasina, tamin'ny 26 jona lasa teo. Nanotrona ny lanonana ihany koa ireo mpisehatra amin'ny sehatra tsy miankina sy ireo olon-tsotra, indrindra ireo teratany Frantsay monina eto Madagasikara. Nisy lanonana fankalazana ihany koa tany Antsirabe sy Mahajanga.
![](https://cms.moov.mg/uploads/Groupe_Sipromad_86d84d35a0.jpg)
Ny tena nampiavaka ny 14 jolay tamin'ity taona ity dia ny nandraisan'ny miaramila malagasy anjara tamin'ny matso lehibe tao amin'ny Champs Elysées. Firenena afrikanina maromaro moa no voaasa, ka anisan'izany i Madagasikara.
![](https://cms.moov.mg/uploads/TF_1_77877faea6.jpg)
Festival des Baleines
Tsy nandiso fanantenana ireo mpanotrona ny "Festival des Baleines 2023" ireo trozona mpivezivezy any an-toerana. Nanao seho miavaka teny an-dranomasina izy ireo, ary nahaliana ireo rehetra nanotrona ny hetsika izany.
![](https://cms.moov.mg/uploads/360105859_617651860465404_6634033527915509478_n_c8c42c07ed.jpg)
Nafana ny tananan'i Sainte Marie tamin'ireo "animations" rehetra niavaka : carnaval, dihy, fifaninanana ara-panatanjahan-tena, sns. I Julien Lepers (Question pour un Champion) moa no mpanentana ofisialy ny festival.
![](https://cms.moov.mg/uploads/360152975_617954567101800_306936190513378167_n_60b028bdde.jpg)
Fanokanana isan-karazany tao Sainte Marie
Nasiam-panamboarana ny Circuit "Pirate Island", vako-pirenena manintona ireo mpizahatany sy mpiala sasatra ao Sainte Marie. Tafiditra ao anatin'ny lalam-pitsidihana na « circuit touristique » ireto toerana ireto : ny « cimetière des pirates », ny « Ile aux forbans », ny « Ilot Madame » ary ny Fiangonana katolika Ambodifotatra.
Mbola tao Sainte Marie ihany, notokanana ny asa fanavaozana ny Fiangonana Katolika.
![](https://cms.moov.mg/uploads/MSK_c96a930d57.jpg)
Tsy adino ny fankalazana ny nahazoan'ny Seranam-piaramanidina Sainte Marie "Certification". Tonga tany an-toerana moa ny filoham-pirenena Andry Rajoelina nanotrona ireo hetsika rehetra ireo. Nifanandrify rahateo tamin'ny Festival des Baleines 2023 izany.
![](https://cms.moov.mg/uploads/359786456_665578689090882_8048008470242009440_n_d54ab0e581.jpg)
Mihava Tour Antananarivo
Sahy nisedra an'Antananarivo ny depioten'i Toliara Siteny Randrianasoloniaiko. Nambarany tamin'ny lahateniny fa 0/20 ny naotin'ny mpitondra ankehitriny noho ny tsy fahaizana misafidy ny laharam-pahamehana. Misy tokoa mantsy, hoy ny tenany, ny fampandrosoana, saingy tsy miantraika amin'ny fiainan'ny vahoaka izany.
Marihana fa teny amin'ny ISTS Andoharanofotsy, efitrano mihidy, no nanatanterahana izany famoriam-bahoaka izany. Tsy nisy ny sakantsakana.
![](https://cms.moov.mg/uploads/347611618_658592239635864_6781663713816460965_n_16b102d05c.jpg)
Kabarin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina
Tontosa soa aman-tsara ny resadresaka nifanaovan'ny filoha Andry Rajoelina tamin'ireo mpanao gazety, izay nalefa tamin'ny haino aman-jerim-panjakana. Nambarany tamin'izany fa mikasika ny fanamorana ny fianaran-janany no antony nahatonga azy nangataka ny fizakana ny zom-pirenena frantsay. Tsy manafoana na manova ny rà Malagasy izay mikoriana ao anatiny anefa izany.
Tsy namaly mivantana ny fanontaniana mikasika ny haha-kandidà azy na tsia i Andry Rajoelina. Nasongadiny mantsy fa mbola tsy mieritreritra fifidianana ny tenany fa mifantoka amin'ny asa mila vitainy amin'ity "mandat" ity.
![](https://cms.moov.mg/uploads/ABS_7fa9c1c0cb.png)
Varavarana misokatra Ambatovy
Nikarakara varavarana misokatra ny kaompania Ambatovy. Misehatra amin'ny fitrandrahana sy fivarotana Nickel sy Cobalt moa io orinasa io. Teny amin'ny Gare Soarano no nanatanterahana ny hetsika. Nampahafantarina ireo mpitsidika ny asa andavan'andron'ireo mpiasa eny amin'ny toeram-pitrandrahana. Tsy adino ireo tolotr'asa izay nahaliana mpitsidika maro.
![](https://cms.moov.mg/uploads/348605987_656239503205727_7429769474186599533_n_2d92ce6715.jpg)
Fanokafana ny Championnat Basket U14
Notontosaina ny 15 jolay lasa teo ny fanokafana ny « Championnats nationaux U14 » lahy sy vavy. Eny Mahamasina no anatanterahana ireo lalao rehetra hatramin'ny 23 jolay ho avy izao.
![](https://cms.moov.mg/uploads/FMBB_264108fd37.jpg)
Fametrahana "Centrale solaire" tao Ankazobe
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy mantsy ny "Centrale solaire" ao amin’ny Kaominina Ambohitromby ao amin’ny Distrikan'Ankazobe. Haharitra hatramin'ny 25 taona moa izao fotodrafitrasa notokanana izao ary ahafahan'ny tokantrano mampiasa jiro, fahitalavitra, radio, mameno aratra finday. Amin’ny alalan’ny fampiasana fitehirizan’aratra manokana na « batterie spéciale » no ahafahan’ny mponina misitraka izany ary indray mandeha isa-kerinandro ihany amin’ny sarany telo arivo ariary monja no mamahana izany.
Kabary ofisialin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina
![](https://cms.moov.mg/uploads/Senat_de_Madagascar_fcecf92895.jpg)