• Cours de change
  • 4650.19 AR
  • |
  • $4407.42 AR
Copyright Image : © Web
Image
Madagasikara

Kilalao 26 jona : tandremo ireo mety hampidi-doza !

08/06/2023 14:45 © Moov.Mg

Rehefa volana jona toy izao dia manomboka mivoaka tsikelikely eny an-tsena eny ireo karazana kilalao fampifaliana ny ankizy rehefa 25 sy 26 jona. Mila mitandrina hatrany nefa isika ray aman-dreny satria misy amin’ireo kilalao amidy eny an-tsena no mety handratra na hankarary ny ankizy. Tsy adino ihany koa ireo kilalao izay mety hampidi-doza ny hafa.

Kilalao 26 jona : mety mitarika areti-maso sy fahajambana ny « laser vert »

Anisan’ny kilalao miparitaka eny an-tsena eny ny « laser vert » efa taona vitsivitsy izay. Rehefa ankatoky ny fetin’ny fahaleovantena toy izao moa no ahitana ireo mpivarotra azy ireny eto amintsika. Marihana fa misy karazany maro moa ireny laser vert ireny ary samy manana ny tanjany. Ireo tena matanjaka dia ampiasana amin’ny sehatry ny asa ary tsy amidy eny rehetra eny. Ireo manana tanjaka ambany kokoa no hita eny an-tsena. Mila mitandrina tsara isika ray aman-dreny raha mividy ireny ho an’ny zanantsika satria miteraka areti-maso ary mety mahatonga fahajambana mihintsy izy ireny raha mitaratra elaela eo amin’ny maso. Tsy tsara ny mividy azy ireny ho an’ny ankizy kely satria mety hitera-doza ho azy sy ireo milalao miaraka aminy.

Mety mandratra ny ankizy kely ny tsipoapoaka

Kilalao efa fanao hatry ny ela ny manao tsipoapoaka rehefa vanim-potoanan’ny asaramanitra toy izao. Maro ireo ankizy no manamboatra tsipoapoaka amin’alalan’ny « bougie » amin’ny fiara, amin’ny vanjan’afokasoka… Mbola misy ihany koa moa ireo mivarotra ireny « pétards » ireny eny an-tsena eny, eny na dia efa misy aza ny fandraràna azy ireny. Mila mitandrina hatrany nefa isika ray aman-dreny amin’ireny karazana kilalao ireny satria mety mandratra tokoa raha sendra mipoaka eny amin’ny tanana. Tsara raha tsy avela milalao azy ireny ireo ankizy madinika noho izy ireo mbola tsy manana fahamailona. Ireo efa lehibe kosa tsy atao manakaiky ny ankizy kely rehefa milalao azy ireny.

Mety hankarary ireo kilalao vita sinoa misy ranon-javatra ao anatiny

Maro dia maro ireo kilalao vita sinoa hita eny an-tsena eny rehefa volana jona toy izao. Misy ireo karazana kilalao misy rano ao anatiny izay amidy amin’ny vidiny mirary tokoa. Mila mailo hatrany ny ray aman-dreny mba tsy hividy sy hanome ireny kilalao ireny ho an’ireo ankizy madinika. Tsy fantatra mazava tokoa mantsy ilay ranon-javatra ao anatin’izy ireny ka raha sanatria ka vaky na kakerin’ilay zaza dia mety ho tafiditra ao am-bavany. Tsy afaka milaza mazava isika hoe poizina ilay rano ao anatin’ireny kilalao ireny, nefa mila mitandrina tsara satria tsy fantatra mazava raha rano madio tsy atahorana ho an’ny fahasalamana ihany koa izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo