• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Reine_Tina
Image
Vaovao

Lakan-dranon’ny Pangalana : Misokatra ny fifamezivezena ho an’i Toamasina sy Mananjary

06/06/2023 10:16 © Moov.Mg

Misokatra manomboka izao ny fifamoivoizana misy eo amin’ny Toamasina sy Mananjary amin’ny alàlan’ny lakandranon’ny Pangalana.

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny avy eo amin’ny ministeran’ny fitanterana sy ny famantarana ny toetry ny andro ho fanamorana sy ho fanatsarana ny fifamezivezena manerana ny Nosy.

Faritra efatra no hahazo tombony

Raha tsiahivina dia mirefy 600 km ny halavan’ity Lakandranon’ny Pangalana ity, izay marihina fa antoky ny fifamoivoizana izay hisy eo amin’ny Toamasina sy Mananjary. Faritra efatra, izay hadanlovan’io lakandrano io no fantatra fa hahazo tombony amin’izany fisokafan’ny fifamoivoizana izany. Tafiditra ao anatin’izany, araka izany, ny faritra Atsinanana Vatovavy, Fitovinany, ary Atsimo-Atsinanana. Ao anatin’ireo faritra efatra ireo dia kaominina 34 izay hita ao anatin’ny distrika 9 eo anelanelan’i Toamasina sy Farafangana no hisitraka ireo tombon-tsoa isan-karazany amin’ny alàlan’izany fisokafan’ny fifamezivezena izany.
Raha tsiahivina tokoa dia kaominina maro hita eo anelanelan’i Toamasina sy Ambila no tsy mbola tongan’ny fiara sy ny zotra an-dàlamby. Miankin-doha tanteraka amin’ny fifamoivoizana izay nosokafana amin’iny lakandranon’ny Pangalana iny izy ireo araka izany.

Fanatsarana ny fitaterana

Mponina manodidina ny 4 309 693 isa no misitraka ity lakandranon’ny Pangalana ity. Olona 200 000 isa isan-taona ihany koa no hafaka hifamezivezy amin’ity lakandrano ity ary tsy voatery handalo amin’ny làlam-pirenena RN2, RN7 sy RN25 izy ireo. Raha ny fitaterana entana kosa no resahana dia entana milanja eo amin’ny 40 000 taonina isan-taona eo no heverina no voatatitra.
Ankoatra ny fanatsarana ny fifaneraserana eo amin’ny olona sy ny fanamorana ny fitaterana ny entana dia fomba iray entina hampiroboroboana ny fizahan-tany ihany koa ny fisian’io fifamezivezena io. Inoana ary fa hitondra ainga vao ho an’ny toekaren’ireo faritra samihafa andalovan’ny lakandranon’ny Pangalana ny fisokafan’io fifamezivezena io.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo