• Cours de change
  • 4650.19 AR
  • |
  • $4407.42 AR
Copyright Image : © Les Numériques
Image
Madagasikara

Onduleur-chargeur : vahaolana iray afaka hiatrehana ny fahatapan-jiro

05/06/2023 08:38 © Moov.Mg

Niverina indray tato ho ato ny fahatapahan-jiro lavareny amin’ireo faritra maro manerana an’i Madagasikara. Maro ireo olona simba asa sy simba fitaovana aterak’izany. Efa nozaraina teto ireo angovo azo havaozina afaka hiatrehana ny délestage. Entina eto indray anio ny onduleur-chargeur, vahaolana iray tsotra sy tsy lafo ary efa be mpampiasa afaka manampy hiatrehana ny fahatapahan-jiro.

Onduleur chargeur, fitaovana tsotra sy mahomby hiatrehana ny fahatapahan-jiro

Maizin-kitroka ny tanàna sy ny tokantrano rehefa tapaka ny jiro amin’ny alina ka mitarika tsy fahandrim-pahalemana. Ankoatra izay, ny fiakarana sy ny fidinana tampoka eo amin'ny herinaratra, mialoha na ao aorian’ny délestage, dia manimba ireo fitaovana ao an-trano toy ny fahitalavitra, solosaina, vata-fampangatsiahana…
Ny onduleur chargeur no anisan’ny vahaolana tsotra afaka hiatrehana ny fahatapahan-jiro sy ireo fahasimbana mety aterak’izany. Fitaovana iray afaka mamokatra herinaratra izy ity rehefa tapaka ny jiro. Mora ampiasaina ary azo atao ny mametaka izany irery, tsy mila teknisianina, raha mahay mikirakira ny « branchement électrique ».
Mizara telo lehibe ny fomba fiasan’ity fitaovana manampy amin'ny fiatrehana ny fahatapahan-jiro ity:
Convertisseur : izany hoe afaka mamokatra 230 volts izy amin’ny alalan’ny batteries mamahana azy (12 volts na 24 volts)
Chargeur : afaka mamahan-tena ny batteries rehefa miverina ny herinaratra
Onduleur : miaro ny fitaovana amin’ny fidinana na fiakarana tampoka ny herinaratra satria tonga dia miasa avy hatrany ny batteries vao vantany miova ny tanjaky ny herinaratra.

Ireo tombontsoa azo amin’ny fampiasana ny onduleur chargeur

Anisan’ny tombontsoa voalohan’ny onduleur chargeur ny famokarany herinaratra eo no eo rehefa tapaka ny jiro. Izany hoe tsy miandry mipika ny fitaovana mampiasa jiro dia efa mahazo herinaratra avy hatrany. Miaro azy ireo amin’ny fahasimbany moa izany.
Raha oharina amin’ny « groupe électrogène » dia mora vidy kokoa ity vahaolana fiatrehana ny fahatapahan-jiro ity. Ny fividianana sy ny fametrahana ny fitaovana amin’ny voalohany ihany no ilàna vola. Ny groupe kosa nefa mila fikarakarana hatrany ary mampiasa solika vao afaka mandeha.
Ankoatra izay, tsotra ary milamina tsara ny fampiasana ny onduleur chargeur. Tsy mitabataba manelingelina toy ny groupe électrogène. Misy karazany maro moa ny tanjaka safidiana, arakarak’izay ilàna azy, na mono-phasé izany na triphasé.
Tandremana kosa nefa mba ho ireo fitaovana mandeha amin’ny herinatra tena ilaina ihany raha sendra tapaka ny jiro no atsatoka amin’ny onduleur chargeur. Misy fetrany ihany mantsy ny faharetan’ny tanjaky ny herinaratra vokarin’ity farany ka mety tsy hampaharitra izany ny fampiasana fitaovana be loatra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo