• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Tourisme Madagascar
Image
Madagasikara

Inona no maha sarobidy ny fananganan-tsaina mandritra ny volana jona ?

02/06/2023 14:33 © Moov.Mg

Fomba fanaon’ny Malagasy tsy vakivolo ny manangan-tsaina rehefa manitsaka ny volana jona toy izao. Izany dia ho fanamarihana ny nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena. Tsikaritra nefa tato anatin’ny taona maro fa miha vitsy ny tokantrano manao izany na eo aza ireo fanentanana maro izay atao. Fa inona tokoa no maha sarobidy ny fanangan-tsaina rehefa volana jona ? Inona ireo fihevitra diso manakana ny olom-pirenena sasany tsy hanao izany ka mila ahintsy ?

Inona no maha sarobidy ny fananganan-tsaina mandritra ny volana jona ?

Fomba fanaon’ny Malagasy tsy vakivolo ny manangan-tsaina rehefa manitsaka ny volana jona toy izao. Izany dia ho fanamarihana ny nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena. Tsikaritra nefa tato anatin’ny taona maro fa miha vitsy ny tokantrano manao izany na eo aza ireo fanentanana maro izay atao. Fa inona tokoa no maha sarobidy ny fanangan-tsaina rehefa volana jona ? Inona ireo fihevitra diso manakana ny olom-pirenena sasany tsy hanao izany ka mila ahintsy ?

Fananganan-tsaina : mariky ny maha firenena mahaleo tena an’i Madagasikara

Atsangano ny saina eeee! Rentsika isan-taona izany fanentanana izany vao mitsidika ny 01 jona. Zava-dehibe loatra ho an’ny firenena ny 26 jona, andro fitsingerenan’ny taona nahazoana ny fahaleovantena, ka rariny indrindra raha ankalazaina izany mandritra ny volana. Maro ireo hetsika sy fankalazana karakarain’ny fitondrana hanamarihana ny fetim-pirenenena. Anjara biriky entin’ny isan-tokantrano hanomezam-boninahitra sy hanonanana izany fankalazana izany kosa ny fananganan-tsaina mandritra ny volana jona.
Ny sainam-pirenena dia mariky ny fiandrianam-pirenena. Fomba sarobidy izay manamafy ny maha zava-dehibe ny nahazoantsika ny fahaleovantena ny fananganana ny sainam-pirenena mandritra ny volana jona. Maneho ny firaisan-kina ary miaro ny soatoavina mampiray ny malagasy tsy vakivolo ny fanatanterahana izany. Fomba iray ihany koa hahatsiarovana sy hanajana ireo tia tanindrazana nitolona sy lavo ho an’ny fahaleovantena.

Ireo fihevitra diso mila ahintsy mikasika ny fananganan-tsaina

Maro ireo tokantrano lasa malaina na koa mandà tanteraka ny hanangan-tsaina mandritra ny volana jona. Maro ireo antony mety mahatonga izany fahalainana na fandavana izany. Ny ankamaroan’ireny antony ireny nefa dia nohon’ny fihevitra diso na tsy fahafantarana ny maha sarobidy izany fananganana saina izany.
Misy ireo olona tsy manangan-tsaina nohon’ny tsy fitiavana ny antokom-pirenena eo amin’ny fitondrana. Tsara nefa ny mampahafantatra fa fetim-pirenena ny fetin’ny fahaleovantena fa tsy fanohanana manokana ny fitondram-panjakana. Fanomezam-boninahitra ireo mahery fo nitolona ho an’ny firenena ary fankalazana ny nahazoana ny fahaleovantena no avoitra amin’ny fananganan-tsaina isan-tokantrano mandritra ny volana jona.
Etsy andaniny, misy ireo olona rempotry ny fahasahiranana sy ny rotorotom-piainana ka manjary manadino na manamaivana ny maha sarobidy ny fananganan-tsaina rehefa volana jona. Marina fa mety tsy mampidina ny vidim-piainana na koa mampandroso tampoka an’i Madagasikara ny fanaovana izany. Mila tsaroana kosa fa zava-dehibe sy sarobidy azontsika malagasy ireharehana ny fananantsika ny fahaleovantena sy ny fiandrianam-pirenena.
Entanina noho izany ny rehetra mba hanangana ny sainam-pirenena mandritra ity volana jona ity. Ny isan-tokantrano, ny toeram-piasana rehetra na miankina na tsy miankina, ny sekoly, ny fokontany, ny biraom-panjakana… ndeha hiaray hina sy hiray fo hanandratra avo ny fitiavan-tanindrazana, ‘ndao hiaraka hanangan-tsaina !

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo