• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Malagasy En France
Image
Gasy Winner

Miss & Mister Malagasy 2023 : Candice & Alexandre no nahazo ny satro-boninahitra

05/04/2023 13:57 © Moov.Mg

Candice sy Alexandre no hisolo tena ny diaspora Malagasy amin'ireo finaninanana hatsaran-tarehy. Nobatain'izy ireo ny amboara tamin'ny Miss & Mister Malagasy 2023 tany Frantsa.

Nahavory olona an'arivony avy amin’ny faritra rehetra tany Eoropa ny finaninanana hatsaran-tarehy Miss & Mister Malagasy 2023. 30 no isan'ireo mpifaninana.
Ho an'ny sokajy vehivavy, i Candice, 19 taona, teratany malagasy avy ao Nosy Be, no lany "Miss Malagasy 2023". Hanala bakalorea amin'ity taona ity moa ny tenany ary mikasa hanohy fianarana ambony mihasika ny fizahantany.

Hanao asa soa eto Madagasikara ny volana May taona 2023 , ary hisolo tena ny Malagasy sy ny Diaspora aty ivelany no andraikitra hosahan’izy mianadahy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo