29 martsa 1947 : Tolom-pahafahana nahazoan'i Madagasikara fahaleovantena
Tsaroana isan-taona ny daty ny 29 marsa 1947 amin’ny alalan’ny fanaterana voninkazo eny amin’ireo tsangam-bato fahatsiarovana eto Antananarivo sy Moramanga. Ny faharesen’ireo mpitolona Malagasy sy ny famonoana olona maro nataon’ny Fanjakana kolonialy frantsay teto Madagasikara izany no tena votoantony. Andeha ary ho tsiahivina ireo tantara tsy fanadino tamin’ny tolom-panafahana 1947.
Ny antony lehibe nitarika ny tolom-panafahana 1947
Nahatsiaro ho leo sy tofoka ny ankamaroan’ny Malagasy noho ny antsonjay sy ny asa fanandevozana nampiharin’ireo Frantsay mpanjanaka taminy. Efa maro ireo tolona nataon’ireo maherifo Malagasy ho fitakiana ny fahaleovantena. Raha ny tantara dia ny fanerena ny Malagasy handray anjara amin’ny Ady Lehibe Faharoa no voalaza fa tena nampipoaka ny fikomiana 1947. Ny fikambanana Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache (MDRM) no antoko politika fanta-daza sy nisolo tena ny malagasy teo anivon’ny Assemblée Constituante Française. Ankoatra ny MDRM dia nisy ihany koa ireo fikambanana miafina niady ho amin’ny fitakiana ny fahaleovantena. Ireto farany dia voasokajy ho mpikambana mahery fihetsika (membres extrémistes) ary nivonona ny hitaky ny fahaleovantena amin’ny hery. Nivondrona tao anatin'ny vondrona JINY izy ireo ary ingahy Monja JAONA no anisan’ny mpitarika izany.
Ny fizotry ny fikomiana nandritra ny tolom-panafahana 1947
Ny faraparan’ny volana marsa 1947 no nipoaka ny fikomiana ho an’ny fanafahana an’i Madagasikara. Ny alin’ny 29 marsa io taona io no voalaza fa nisian’ny ady mahery vaika teo amin’ireo mpitolona sy ireo Frantsay mpanjanaka. Tany Manakara sy Moramanga no toerana nahery vaika nisian’ny fanoherana ny fitondrana mpanjana-tany. Tonga nanatevin-daharana ireo mpikambana tao amin’ny JINY ireo tantsaha tany atsimon’i Madagasikara ka tonga 20 000 teo ho eo ny isan’ireo mpikomy. Lefona, antsy, famaky ary ody gasy no fitaovam-piadina nentin’izy ireo nanafika ny tranon’ireo "alikan'ny Frantsay" na ireo Frantsay sy Malagasy nanohana ny fitondrana mpanjana-tany.
Ireto olona tanisaina manaraka ireto izao dia anisan'ireo novonoina tamin'ny alalan'ny tifitra faobe tany Manakara :
-Abdallah pasitera tao Ambila,
-Moravelo chef de canton tao Sahasinaka,
-Boto Benoît mpanefy tao Sahasinaka,
-Stanislas Louis mpanefy tao Sahasinaka,
-Raoatason miaramila afaka tao Sahasinaka,
-Randriamaro mpanao trano,
-Charles moiambina tao Sahasinaka,
-Lemavo garde-indigène taloha tao Sahasinaka,
-Gabriel miaramila afaka tao Sahasinaka,
-Rakotosoa Joseph surveillant tao Sahasinaka,
-Botiraoizy mpanao kirari tao Lokomby,
-Rakotoparivony mpanao kiraro tao Sahasinaka,
-Babare miaramila afaka tao Ambila.
Ny famaizana nataon’ny mpanjanaka manoloana ny tolom-pahafahana 1947
Mafy dia mafy ny famaizana nasetrin’ny mpanjanaka Frantsay ny fikomiana nitranga ny alin’ny 29 marsa 1947. Nampiasaina ny tafika an-tanety frantsay izay matanjaka indrindra handringanana ireo mpitolona. Anisan’ny famaizana nanamarika ny tolom-pahafana 1947 ny nitifirana ireo wagons telo izay nanidiana ireo mpikomy nogadraina miisa 166. Izany dia mba hialana amin’ny fanafihan’ireo namany izay mikasa ny hanavotra azy. Maro ireo olon-tsotra tsy nandray anjara tamin’ny fikomiana no maty tao anatin’ny fitifirana ireo wagons nidiana tamin’ny firaka ireo. Ireo olomboafidy tao amin’ny MDRM ihany koa dia voasambotra sy voaheloka tamin’ny tolom-pahafana 1947 na dia nanohitra ny fikomiana aza izy ireo. Voaheloka higadra mandra-pahafaty ny mpitarika sasany ary ny sasany kosa voaheloka anao asa an-terivozona am-polo-taonany. Tsy adino ireo olona natao "bombe humaine", natao tao anaty gony dia navarina an-drano sy notapahin-doha. Naharitra herintaona ny fanamaizana ireo mpitolona sy ireo olon-tsotra nanerana an’i Madagasikara nataon’ireo tafika frantsay. Raha ny tomban’ireo mpahay tantara dia eo anelanelan' ny 11 000 sy 100 000 ny isan' ny maty nandritra ny famaizana.
Rariny loatra noho izany raha tsy natao ho andro firavoravoana ny 29 mars 1947 fa andro fisaonana sy fahatsiarovana ireo Malagasy maty ho an’ny firenena. Andro tsy fiasana nefa andraisan-karama moa ny tontolo andro ho an’ny rehetra monina sy miasa eto Madagasikara