• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Regard Eloigne
Image
Madagasikara

Aloalo : Mariky ny fahafatesana... Tsy tokony atao amin'ny akanjon'ny velona...

20/03/2023 07:17 © Moov.Mg

Aloalo, Baobab, Maki, Tanalahy, Omby : Lasa fahazarana ny mahita ireo sary ireo amin'ireo asa tanana Malagasy. Ahitana ireo fanehoana ireo na akanjo na haingon-trano. Natao isarihana mpizaha tany sady anehoana ny tena maha-Malagasy izany. Tsara nefa ny miverina mamakafaka ny hevitra raketin'ny fanehoana tsirairay. Raha ho an'ny Aloalo manokana, tsiahivina fa natao ho an'ny maty izany fa tsy ho an'ny velona.

Inona ny atao hoe Aloalo ?

Ny Aloalo dia tsato-kazo voasokitra fametraka amin'ny fasana any amin'ny faritra andrefan'i Madagasikara. Matetika dia ahitana sarin' omby na sarin'olona ny eny amin' ny tampony. Ho an'ny foko Mahafaly sy Antandroy dia mariky ny fahafatesana izany. Marihina fa mampiasa ny Aloalo ihany koa ny sasantsasany amin'ny foko Sakalava.
Amin'ny andron'ny fandevenana no atsatoka ny Aloalo. Didinina ireo tandrok'omby novonoina tamin'ny fiandrasam-paty avy eo ny fotony. Rehefa misy maty izany any andrefan'ny Nosy vao tena misy asa ireo mpanao sary sokitra mahafehy ny Aloalo. Araka ny fomban-drazana, tsy azo amboarin'ny fianakavian'ny mana-manjo ilay sary sokitra, ary any ivelan'ny tanàna ihany no azo anamboarana azy. Miankina amin'ny fananan'ilay maty ny isan'ny Aloalo sy ny tandrok'omby eny amin'ny fasana. Marihana nefa fa raha ho an'ireo tena mpandala ny fomban-drazana dia tsy atsangana ny Aloalo raha tsy volana vitsivitsy aorian'ny fandevenana.
Ireto misy fady mikasika ny Aloalo :
-Tsy azo entina amin'ny toeram-ponenan'ny velona. Eny amin'ny fasana no aterin'ireo mpanao asa tanana ny Aloalo ;
-Misy fombafomba manokana fametrahana ny Aloalo eo ambony fasana, izay tsy azo atrehin'ny zaza amam-behivavy ;
-Ny hazo anamboarana ny vatapaty ihany no azo anamboarana ny Aloalo, izay antsoina hoe "Nendoravy".

Raha dinihina lalina amin'ny firafitry ny teny dia "ALO" natao teny verindroa ny hoe "ALOALO". Ny teny verindroa izay nataon'ny Ntaolo hanalefahana ny hevitra iray. Raha hitarina kely dia lasa "ALOKA" sy "MANALOKA" dia ireo avelon'ny maty sy ny tontolony. Aloalo no iantsoan'ny Antemoro ny matoatoa. Aloalo no iantsoan'ny sihanaka ny aloka sy fanahy. "Aloalo" no iantsoan'ny Tankarana ny hady sy lavaka, hoy Rabezandriana Rainandriamampandry.

Inona izany no ampiasaina ny Aloalo ?

Misy fahadisoan-kevitra mipetraka ankehitriny satria heverina fa mpandala ny maha-malagasy rehefa mitafy na manaingo trano amin'ny Aloalo. Maro isika Malagasy no alaim-panahy handany volabe ividianana palitao na T-shirt misy Aloalo. Tsy adino ireo fanaka sy haingon-jaridaina isan-karazany.
Araka ireo hevitra fonosin'ny Aloalo voalaza etsy ambony nefa, natokana ho an'ny maty io fanehoana io. Tsy tsara araka izany no mandray azy anaingoana akanjo na fanaka na trano. Mbola sarotra nefa ny fandresen-dahatra ireo mpisehatra amin'ny varotra satria tafiditra ao anatin'ny lisitry ny fanehoana mampiavaka ny Malagasy ny Aloalo. Ilaintsika Malagasy ny mianatra sy mandalina ny kolontsaintsika mba tsy hifantoka fotsiny amin'ny honohono sy ny fitadiavam-bola.
Mety manontany tena kosa nefa ny maro hoe nahoana no misy Aloalo matetika amin'ireo toerana manan-kasina toy ny lapa. Ampahafantarina antsika àry fa ireny famantarana vita amin'ny Aloalo ireny dia natao ahatsiarovana ireo olo-manan-kasina izay nitoetra na nandalo tamin'izany toerana izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo