• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Dinika eny Ivato : Roa andro handinihana sy hanapahana hevitra momba ny fifidianana 2027

09/11/2026 17:05 © Moov.Mg

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny CCI Ivato, androany 9 novambra, ny fehin-kevitra voaangona nandritra ny dinika fakan-kevitra notarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Michaël Randrianirina, teny Iavoloha ny 1 hatramin’ny 8 septambra 2026. Roa andro no natokana handinihana ireo soso-kevitra sy handraisana fanapahan-kevitra momba ny fifidianana kasaina hotanterahina amin’ny taona 2027.

Fehin-kevitra natolotra ny FFKM

Nandritra ny lanonam-panokafana ny dinika andiany faharoa momba ny fanomanana ny fifidianana, no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo fehin-kevitra nandritra ny dinika fakan-kevitra notarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Michaël Randrianirina, teny Iavoloha ny 1 hatramin’ny 8 septambra 2026. Noraketina tao anaty boky iray izany, ka ny filohan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM), Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, no nandray izany. Ny FFKM rahateo, raha tsiahivina, no mitarika ny fikaonan-doham-pirenena. Hampiasaina ho tahirin-kevitra mandritra ny fikaonandoham-pirenena kosa ireo sosokevitra hafa voaray, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Fanavaozana.

Fanapahan-kevitra iarahan’ny rehetra mandray

Manomboka androany 9 ka hatramin’ny rahampitso 10 novambra 2026 ity dinika faharoa ho fanomanana ny fifidianana ity. Hodinihina manokana ireo soso-kevitra mila fandinihana maika, ary antenaina ny hivoahan’ny fanapahan-kevitra sy ny paikady hanomanana ny fifidianana amin’ny taona ho avy. Anisan’ny antenaina ihany koa ny famoahana tetiandro momba ny fanatanterahana izany fifidianana izany, hoy hatrany ny Kolonely Michaël Randrianirina.

Namafisin’ny Filohan’ny Fanavaozana fa ny fifampiresahana sy ny fakan-kevitra amin’ireo herivelona rehetra no fomba entin’ny fitondrana ankehitriny mandray fanapahan-kevitra lehibe, fa tsy olona tokana na vondron’olona vitsivitsy ihany no tompon’izany fanapahn-kevitra izany.

Famatsiam-bola hiatrehana ny fifidianana

Anisan’ny lohahevitra tsy maintsy dinihina ny momba ny teti-bola hanatanterahana ny fifidianana. Araka ny fanazavan’ny Kolonely Michaël Randrianirina, hojerena ao anatin’ny Lalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana lasitra (LFI) izany. Raha tsy ampy ny vola eo am-pelatanana dia hangatahana fanohanana amin’ireo mpiara-miombona antoka. Aorian’izao dinika roa andro izao dia hitodika amin’ny fikaonan-doham-pirenena tarihin’ny FFKM ny dingana manaraka, raha ny fanazavany. Vinavinaina hanomboka amin’ity volana novambra ity ny fifampidinihana eny anivon’ny Fokontany.

Nanatrika ny lanonana teny Ivato ireo filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina, ny filoham-panjakana teo aloha, Rivo Rakotovao, ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tokonhy, ny eo enivon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena Misahana ny Fifidianana (CENI), ny solontenan’ireo masoivoho vahiny, ary ireo antoko politika sy herivelona samihafa.

Lire la suite

Articles Similaires