Tetikasa MIONJO : Karatany 2 500 no kendrena havoaka any Betroka
Zon’ny olom-pirenena tsirairay ny hanana fananana voaaro. Amin’ny alalan’ny Hetsika Karatany Faobe, iarahana amin’ny Tetikasa MIONJO, ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananantany (MATSF) dia mikendry ny hamoaka karatany miisa 2 500 ao amin’ny Distrikan’i Betroka, ho fanamafisana ny antoka ara-dalàna ho an’ny mponina.
Kaominina telo no voakasika
Taorian’ny fandraisana ireo fangatahana karatany dia miroso amin’ny fitsirihana ifotony ny Sampandraharahan’ny Fananantany sy Fandrefesantany ao Betroka, miaraka amin’ny Kaominina Isoanala, Ianabinda ary Bekorobo. Mandray anjara amin’ny fanatanterahana izany ihany koa ny Sampandraharahan’ny Fananantany eny Ifotony (DSFD). Tanterahina ao anatin’ny fampiharana ireo fepetra voalazan’ny lalàna momba ny fananan-tany izao hetsika izao. Tanjona ny hanamorana ny fahazoan’ny vahoaka karatany sy hanamafisana ny fiarovana ny zony amin’ny tany.
Karatany, fiarovana amin’ny ady tany
Manana lanja lehibe eo amin’ny fiainan’ny Malagasy ny tany, satria loharanom-pivelomana sy harena ampitaina amin’ny taranaka mifandimby. Ny Karatany dia taratasy manamarina ny zo amin’ny tany iray, araka ny fepetra ara-dalàna mihatra. Zava-dehibe ny fananana izany, indrindra ho an’ireo fianakaviana manana tany nolovaina tamin’ny razana. Manampy amin’ny fanamafisana ny porofo momba ny fananana sy ny fisorohana ny fifanolanana mety hateraky ny tsy fahazavan’ny sisin-tany na ny fitakiana zo mifanohitra izy io.
Anisan’ny raharaha faharoa be mpiady eny amin’ny fitsarana ny ady tany, aorian'ny fisaraham-panambadiana, araka ny fantatra. Mety hiteraka fandaniana, handany fotoana ary hanimba ny fihavanana ary savorovoro eny anivon’ny fiarahamonina izany fifanolanana izany. Noho izany, dingana lehibe amin’ny fiarovana ny fananana sy ny fampandrosoana ny faritra ny Hetsika Karatany Faobe any Betroka. Ny fiarovana ny zo amin’ny tany ankehitriny dia antoka ho an’ny hoavin’ny taranaka.
Tsiahivina fa ny volana aprily 2023 no nanombohana ofisialy ny Hetsika Karatany Faobe. Tanjona napetraka tamin’izany ny hizara karatany miisa 5 tapitrisa manerana ny Nosy hatramin’ny taona 2028. Raha ny tarehimarika nivoaka farany tamin'ny volana febroary 2024 dia 1,518 tapitrisa ireo karatany efa voazara manerana an’i Madagasikara.





