Reraka rehefa avy natory be loatra : inona no mety ho antony ?
Maro amintsika no manararaotra matory ela kokoa rehefa faran’ny herinandro satria sady tsy miasa no tsy mianatra ny mpianatra. Tsikaritra nefa fa raha tokony ho feno hery sy fahavitrihana rehefa mifoha dia toa vao mainka mavesabesatra ny loha ary reraka ny vatana. Inona àry no mety mahatonga antsika hahatsapa havizanana rehefa avy natory ela loatra ?
Ny fikorontanan’ny famantaranandron’ny vatana na « rythme circadien »
Manana fitsipika sy fandaharam-potoana raikitra mifehy azy ny vatantsika ao anatin’ny 24 ora. Io no mandamina ny mari-panan’ny vatana, ny famokarana hormonina, ary ny fotoana tokony hatoriana sy hifohazana.
Rehefa matory mihoatra noho ny mahazatra isika, dia mikorontana io famantaranandro anaty io. Efa miomana ny hifoha sy hiasa amin’ny ora mahazatra mantsy ny vatana, kanefa mbola nihitarina ny torimaso, hany ka lasa misy fifanoherana ny hafatra tonga any amin’ny atidoha. Vokatr’izany, lasa mifoha tampoka ao anatin’ny torimaso lalina isika ka izay no mahatonga ilay fahatsapana ho miraikiraiky sy mavesatra ny loha.
Ny "inertie du sommeil"
Ny "inertie du sommeil" dia ilay tetezamita voajanahary eo anelanelan’ny torimaso sy ny fahafahan’ny saina sy ny vatana mifoha tanteraka. Miseho amin’ny fahatsapana toy ny somary verivery saina sy mbola tsy mifoha tsara izy io rehefa vantany isika vao taitra iny. Raha ny tokony ho izy dia afaka ao anatin’ny 15 hatramin’ny 30 minitra io tetezamita voajanahary io.
Saingy rehefa natory be loatra isika, dia mety haharitra ora maromaro izy io. Lasa mikorontana ny fahafahan’ny saina manavaka ny torimaso sy ny fifohazana ka izay no mahatonga ny vatana ho mavesatra ary ny saina ho somary miadana.
Ny tsy fahampiana rano sy ny tsy fisakafoanana maharitra loatra
Raha mbola matory isika, dia mbola miasa sy mandany rano foana ny vatana (amin’ny alalan’ny fofonaina sy ny hatsembohana), nefa tsy misy rano na sakafo miditra mihitsy mandritra izany.
Raha matory adiny 10, 11 na 12 ora isika, dia lasa lava loatra ny fotoana tsy nisakafoanana sy tsy nisotroana rano. Rehefa lasa mihena kely ny rano ao amin’ny vatana ary ambany dia ambany ny tahan’ny siramamy (glycémie) anaty rà, dia tonga dia harerahana, aretin-doha, ary tsy fahampian-kery no tsapa vao mifoha.
Ny kalitaon’ny torimaso fa tsy ny faharetany
Indraindray, tsy ilay faharetan’ny torimaso ela loatra no olana mahatonga ny havizanana rehefa mifoha fa mety izany ho fambarana olana hafa amin’ny torimaso. Raha mikorontana na ratsy ny torimaso, ohatra noho ny rarintsaina, « apnée du sommeil »…, dia miezaka manonitra izany ny vatana ka mitady ora hatoriana betsaka kokoa. Raha tsy milamina nefa ireo olan’ny torimaso ireo dia tsy hampody hery mihintsy ny torimaso na dia atao lava be aza.
Torohevitra 3 hamerenana ny fifandanjana
Mba hisorohana an’izany fahatsapana reraka sy miraikiraiky rehefa mifoha maraina dia misy ireo fahazarana tsotra tsara ampiarina :
-Hajaina ny ora hatoriana sy hifohazana. Mila miezaka matory sy mifoha amin'ny ora mitovy hatrany, na dia amin'ny faran'ny herinandro (week-end) aza. Tsy tokony hihoatra ny adiny iray ny elanelana mba tsy hampikorontana ny famantaranandron’ny vatana.
-Misotro rano vao mifoha: Alohan'ny hisotroana kafe dia tsara raha misotro rano iray vera lehibe mba hanairana ny vatana sy hanonerana ny rano very nandritra ny alina.
-Mampiditra hazavan'ny andro: Sokafana be ny « rideaux » na ny varavarankely ao an’efitrano vao mifoha. Ny hazavan'ny andro dia manakana ny famokarana "mélatonine" (ilay hormonina mampatory) ary mampahafantatra ny atidoha fa fotoana tokony hiasana izao.




