Hantavirus : tsy mbola atahorana hitarika valanaretina maneran-tany, saingy ilaina ny mitandrina
Niteraka resabe eo amin’ny sehatry ny fahasalamana iraisam-pirenena, tao anatin’ny andro vitsivitsy izay, ny fisian’ny otrikaretina « Hantavirus ». Miteraka horohoro ny filazana fa maromaro ireo tranga hita ary efa nitaika fahafatesana ihany koa. Hatreto anefa, mbola ambany dia ambany ny risika mety hahatongavana any amin’ny valanaretina iraaisam-pirenena, raha ny nambaran’ny OMS.
Trangan’aretina hita tao anaty sambo
Nanomboka tamin’ny fiandohan’ity volana mey 2026 ity no nisy ny fanairana ara-pahasalamana tonga teny anivon’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS), rehefa nisy andiana marary hita tao anatin’ny sambo mpitondra mpizahatany iray antsoina hoe : MV Hondius. Ity sambo ity dia niala tany Arzantina ary nihazo ny nosy Canaries. Olona maromaro no tratran’ny aretina mafy nahakasika ny taovam-pisefoana, ary efa nisy ny namoy ny ainy. Ny tena mampanahy ny manam-pahaizana dia ny fahitana ny karazana otrikaretina antsoina hoe "souche Andes" tamin'ireo marary. Ity karazana otrikaretina ity mantsy dia fantatra fa mety hifindra mivantana amin’ny olona samy olona, na dia tsy fahita firy aza izany tranga izany tany aloha. Hatramin'ny omaly, efa misy tranga voamarina ihany koa any Soisa sy Afrika Atsimo, amin'ireo mpandeha avy tao amin'io sambo io.
Inona marina ny Hantavirus ?
Ny Hantavirus dia otrikaretina avy amin'ny biby, indrindra amin’ireo biby mpikiky (rongeur), toy ny voalavo. Mifindra amin'ny olona izy io, amin'ny alalan'ny tsimokaretina miparitaka amin'ny fofona avy amin'ny vovoka misy ilay otrikaretina. Matetika dia ny fivalanan-drano na ny ivin’ireo biby no mipetaka amin’izany vovoka izany. Ny soritr'aretina indray dia mitovitovy amin'ny an’ny gripa, amin'ny voalohany : tazo, fanaintainan'ny hozatra… saingy mety hivadika ho fahasemporana mafy na hatramin’ny fahavoazana any amin’ny voa izany.
Hatreto aloha, tsy mbola hita teto Madagasikara ilay "souche Andes". Manana ny karazana Hantavirus-ny manokana i Madagasikara, saingy tsy mbola nitarika valanaretina lehibe tamin'ny olombelona teto amintsika izany. Ny risika lehibe indrindra amin'izao fotoana izao dia ny fidiran'ny olona efa mitondra ny aretina avy any ivelany.
Ireo fepetra tokony horaisina
Na dia mampanahy aza ny fiparitahan'ny tranga any amin'ny firenena maro, dia mbola heverina ho ambany ny risika hisian'ny valanaretina manerantany, tahaka ny nitranga tamin'ny vanim-potoanan'ny Covid-19. Ny tanjon'ny OMS amin'izao fotoana izao dia ny hanakana ny fiparitahan'ny tsimokaretina, amin'ny alalan'ny fitiliana sy ny fanokana-monina ireo olona rehetra nifandray tamin'ny marary.
Ho an'i Madagasikara, ny fanaraha-maso ny seranan-tsambo sy seranam-piaramanidina no vahaolana voalohany, mba hisakanana ny fidiran’ny otrikaretina. Ny olona tsirairay kosa dia amporisihina mba hitandro hatrany ny fahadiovana. Voalohany amin'izany ny fandringanana ny voalavo sy ny fiarovana ny sakafo tsy ho voakitik'ireny biby ireny. Raha misy maloto navelan'ny voalavo dia tsy tokony hofafana maina, satria miakatra ny vovoka izay mety mitondra tsimokaretina. Aleo tondrahana rano misy "chlore" na "eau de javel" aloha. Tsy azo adinoina ny manatona toeram-pitsaboana avy hatrany raha vao misy tazo mahery sy fahasemporana, indrindra raha vao avy nanao dia lavitra, na nifandray tamin'ny olona vao tonga avy any ivelany. Tsy misy antony tokony hampatahotra eto Madagasikara, raha amin'izao fotoana izao, saingy ilaina foana ny fitandremana.




