• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Football London
Image
Sport

Arsenal vs Athletico Madrid : Hiady ny lalao, araka ny hevitry ny Coach Roro

05/05/2026 21:09 © Moov

Nirava ady sahala 1 sy 1 ny roa tonta tamin'ny lalao mandroso izay natao tany Madrid herinandro lasa izay. Hanao ahoana kosa ny androany ?

Ao amin'ny kianja EMIRATES STADIUM ao Londres, izay mahazaka mpijery 60 335, no hifanandrinan'ny Arsenal sy ny Athletico de Madrid . Androany no hafantarana ny ekipa iray hiatrika ny lalao famaranana ny 30 mai izay atao any Budapest Hongrie ao amin'ny Kianja PUSKÁS ARÉNA.

Adin'ny samy ngeza

Manana tombony ny GUNNERS Arsenal ara-tsaina ( ascendant psychologique) sy ny resaka "statistiques" satria tamin'ny lalao farany nataony dia nandresy ny FULHAM tamin' ny isa 3 no 0 izy ireo. Izany moa no mametraka azy ireo eo amin'ny toerana voalohany (Leader de Championnat d'Angleterre PL).
Raha 35 "journée" no vita dia nahavita nandresy 23 izy ireo ady sahala 7 ary faharesena 5 ( V 23 # N 7# D 5) nahavita nampiditra baolina 67 ary nidirana 26 ( BP 67 # BC 26). Eo amin'ny resaka cartons kosa dia anisan'ny ekipa milamina sy mitandrina ihany izy satria dia nahazo cartons jaunes 45 ary 0 carton rouge .
Ny Athletico de Madrid kosa dia nahazo cartons jaune 70 ary rouges 4, ka azo lazaina fa somary agressive ihany tao anatin'ny lalao 34 izay nataony dia Fandresena 19 sy Ady sahala 6 ary Faharesena 9 ( V 19 # N 6 # D 9) 58 no baolina nampidiriny ary 37 no niditra tao aminy. Laharana faha 4 izy ao amin'ny La Liga.

Tombony ho an'ny Arsenal

Manana tombony ny Arsenal izay hilalao amin'ny kianjany manoloana ny mpijeriny marobe, maherin'ny 60 000. Marihana nefa fa samy manana ny maha-izy ireo mpanazatra roa, dia ilay Argentin Diego SIMEONE sy ilay Espagnol Mikel ARTETA. Samy Tacticiens sy mahay manao analyses ny lalaon'ny adversaire ny avy izy ireo. Noho izany, mety ho "détails" kely no tena hanavahana ny Mpandresy androany.
Hiady ny lalao ary izay Equipe manana herintsaina sy finiavana ary tena te-handresy no tafakatra Final androany, araka ny nambaran'ny Coach Roro.

Lire la suite

Articles Similaires