« Burn-out » : ireo fambara tokony hampitandrina
Ny « burn-out » na « syndrome d’épuisement professionnel » dia aretin’ny harerahana avy amin’ny asa. Matetika izy io dia miseho tsikelikely ary mety hitarika fahasimbana eo amin’ny vatana, ny saina ary ny toe-po. Tsy tonga tampoka arak’izany ny « burn-out ». Mba tsy hahatara ny fandraisana an-tanana ny « burn-out » dia ilaina ny mamantatra ireo fambara tokona hampanahy sy hampitandrina.
Ireo fambara ara-batan’ny « burn-out »
Ny vatana matetika no voalohany maneho famantarana mampitandrina fa manao « burn-out » ny olona iray. Anisan’ireo fambara ara-batana tokony hampanahy ny hoe :
-Reraka be sy maharitra na dia avy naka aina aza ;
-Mikorontana ny torimaso, toy ny hoe tsy mahita tory, tapa-tory… ;
-Marary andoha, manaintainana ny kibo na ny hozatra ;
-Mihena ny hery fiarovana, iverimberenan’ny otrikaretina.
Ireo fambara ara-pihetseham-po
Raha ny eo amin’ny lafiny ara-pihetseham-po indray dia toy ireto manaraka ireto ny fambaran’ny « burn-out » :
-Kizitina be, tsy mahandry tantana, fahatezerana tsy mahazatra ;
-Tebiteby, fahatsapana toy ny voageja ;
-Tsy mahatsapa hafaliana na fientanana intsony ;
-Fahatsapana hoe tsy mahavita azy na tsy mahefy intsony ny zavatra manodidina ny asa.
-Fahatsapana ho resy lahatra fa tsy mahavita na tsy mahafehy intsony
Ireo fambara ara-tsaina
Mety hisy fiantraikany amin’ny fiasan’ny saina ihany koa ny « burn-out ». Anisan’ireo fambara tokony hampanahy ny hoe :
-Lasa sarotra mifantoka sy mitadidy ;
-Fahatsapana hoe verivery saina ;
-Fahatarana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra na tsy mety mandray fanapahan-kevitra mihintsy ;
-Hevi-dratsy miverimberina, toy ny hoe te hamono tena na maniry loza ho an’ny tena.
Ireo famantarana ara-pihetsika
Misy amin’ireo fiovana ara-pihetsika izay manambara « burn-out » no tokony hahamailo sy hampitandrina :
-Tsy firarahiana na fanaovana tsirambina tsikelikely ny asa ;
-Mitokatokana ;
-Lasa mahery misotro toaka, kafe, mifoka sigara… ;
-Fanatrehana asa tafahoatra na, mifanohitra amin’izany, manapatapaka matetika.
Inona no mahatonga ireo fambara ireo matetika tsy tsikaritra ?
Maro ny antony mahatonga ny olona tsy ahatsikaritra ireo fambaran’ny « burn-out » voalaza ireo raha tsy efa tara. Anisan’izany ny « pression » ara-tsosialy, ny tahotra ho tsaraina malemy na tsy mahavita azy, ny fanomezan-danja tafahoatra ny vokatra sy ny fahombiazana arak’asa ka mahatonga ny olona maro hanamaivana ireo soritr’aretina ireo. Matetika ny olona no mieritreritra fa mbola afaka “miaritra kely”, mandra-pahatongan’ny fotoana halavoan’ny vatana sy ny saina tampoka.
Mila mandray andraikitra mba tsy ho tara loatra
Mitaky fiainoana tsara ny tena sy ny fandraisana fanapahan-kevitra mazava ny fisorohana ny « burn-out » :
-Mianatra manisy fetrany mazava eo amin’ny fiainana manokana sy ny asa ;
-Miverina mandinika ny vesatr’asa sy ny « priorités » ;
-Manokana fotoana hialana sasatra, na ho an’ny saina na ny vatana ;
-Tsy menatra na matahotra mangataka fanampiana, na amin’ny lehibe, mpiara-mpiasa na mpiasan’ny fahasalamana.


