Sendikàn'ny Mpitsara eto Madagasikara : Mitaky ny hanajana ny fahaleovan-tenan’ny Fitsarana
Mihitsoka ny fizotry ny fanatanterahana ireo didim-pitsarana manerana an’i Madagasikara, noho ny fitokonana tanterahan’ny sendikan’ny mpandraharahan’ny fonja ankehitriny. Manoloana izany dia nanome 48 ora ho an’ireo tomponandraikitra ny Sendikàn'ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM), tarihin’Andriantsihorisoa Mbitanarivo, androany 22 oktobra 2025, teny Anosy.
Mibosesika ny didy momba ny ady heloka
Araka ny fanazavan’ny filohan’ny SMM, Andriantsihorisoa Mbitanarivo, dia misy ireo olona voasazy, na tokony hampidirina am-ponja vonjimaika, saingy tsy mandray azy ireny ny fonja manerana an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Efa misy mimenomenona eny anivon’ny fiarahamonina eny, hoy izy, satria ilay olona notoriany, izay tokony higadra na hiditra am-ponja vonjimaika, dia hita miriorio eny. Tsy midika anefa izany fa manakana ny fitokonan’ireo mpandraharahan’ny fonja ny SMM, hoy izy. Na izany aza, efa mibosesika ireo olona namoahan’ny fitsarana didy. Izany indrindra no antony anomezan’ny SMM 48 ora ho an'ny fahefana mahefa rehetra, indrindra ny eo anivon’ny fonja, ny ministeran’ny Fitsarana, ireo Tomponandraikitra eo anivon’ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, izay vao nanao fianianana sy nandray fahefana, mba hijerena akaiky ireo raharaha ady heloka rehetra.
Tsy fitsabahana amin’ny asan’ny Fitsarana
Eo anatrehan’ny famoahana gadra, izay misy ireo tsy navoaka ara-dalàna, dia nilaza ny tsy hanaiky mora foana ny SMM. Nisy voafonja maromaro izay nolokoina tao ambadiky ny hoe : « gadra pôlitika », hoy Andriantsihorisoa Mbitanarivo. Didim-pitsarana anefa no nampiditra azy ireny teny am-ponja, ka tompon’andraikitra tanteraka izay namoaka azy ireny, satria olona marobe no niharan’ny tsy rariny nataon’ny olona nomelohin’ny Fitsarana.
Ankoatra izay dia nanipika ny SMM fa fanovana no notakiana teny an-kianja ary vonona ho amin’izany fiovana izany ihany koa ny Mpitsara. Manoloana izany dia takian’ireo Mpitsara rehetra manerana ny nosy ny fanajanonana ny fitsabatsabahana amin’ny asan’ny Fitsarana. Mba tsy hisy intsony, hoy izy, ny hanao « interventionnisme », » trafic d’influence », sy ny « ingérence », ary mba tsy hisy intsony koa ny tsindry ara-politika avy amin’ny fahefana samy hafa, izany hoe : takian’izy ireo ny fahaleovan-tena tanteraky ny Fitsarana.