• Cours de change
  • 5187.29 AR
  • |
  • $4512.7 AR
Copyright Image : © Malagasy Tv
Image
Vaovao

Primatiora : Mandray ny asany amin’ny fomba ofisialy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo

22/10/2025 12:48 © Moov

Notanterahina androany, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Praminisitra teo aloha, ny Jeneraly Zafisambo Dimbisoa Fortunat sy i Herintsalama Rajaonarivelo.

Soatoavina 3 hitondrana ny firenena

Nifandimbiasan’izy ireo ny fandraisam-pitenenana ary nisaotra ireo mpiara-miasa taminy ny Praiminisitra teo aloha raha nilaza ny mety ho toetoetry ny fomba hitondrany ny asany ny Praiminisitra vao niditra. Tao anatin’izany no nilazan’ity farany fa olom-baovao eo amin’io toerana io ny tenany. « raha sendra solafaka na diso famindra dia ampio aho fa aza tsikeraina », hoy i Herintsalama Rajaoanrivelo, tamin’ny fandraisam-pitenenany.
Ho pejy vaovao, hoy hatrany ny tenany no sokafana ho an’i Madagasikara manomboka izao, ka soatoavina miisa 3 no heveriny hitondrana ny firenena. « Hanorina Madagasikara vaovao isika ka soatoavina miisa 3 no arahina manomboka eto. Ao anatin’izany ny fanajana ny lalàna sy ny hasin’ny olona ary ny fananana iombonana sy ny fitsipika mifehy ary ny fifanajana. Eo ihany koa ny fitandroana ny fihavanana ary ny fiaraha-mientana », hoy izy tamin’ny lahateniny. Ireo no fototra hitondrany ny asany, hanarenany ny firenena.

Politika « zéro tolérance »

Isan’ny ho laharam-pahamehan’ity Praiminisitra vaovao ity ny ady amin’ny kolikoly. Ho tohin’ny fanambarana izay navoakan’ny Primatiora, omaly, dia nohamafisiny fa ho ampiharina ny politika « zéro tolérance », amin’ireo fanetriben’ny firenena. « Tsy hanaiky ny fanararaotana, ny kolikoly ary ny fandanianiam-poana isika, hiverina amin’ny fahamatorana ny fifehezana ary ny fitandremana ny fananana iombonana », hoy izy, tamin’ny lahateny izay nataony. Araka izany, dia tsy hisy ho arovana izay meloka fa tsy maintsy mamerina sy manonitra izay nalainy na ireo eto an-toerana na ireo any ivelany. Raha ny vinan’ity Praminisitra vaovao ity dia ny hanarina ny fiainan’ny Malagasy tsirairay.
Nomarihiny ihany koa fa ho avy tsy ho ela ny fananganana ny Governemanta vaovao. Notsipihiny manokana fa Governemanta mpanatanteraka, mangarahara ary tompon’andraikitra izany ka tsy hanao kabary fotsiny fa hampiseho vokatra mazava sy azo tsapain-tanana.
Ny Jeneraly Zafisambo kosa tetsy ankilany, alohan’ny hialany amin’ny asa dia nanafatra ny mba tsy hisian’ny valifaty na an-kolaka na mivantana. « Tokony ny fitiavan-tanindrazana no mitondra ny tsirairay », hoy izy namarana ny lahateniny.

Lire la suite

Articles Similaires