Fanavaozana ifotony : Miato avokoa ireo Fifaninanana fidirana mpiasam-panjakana
Miato sy mihemotra avokoa ireo fifaninanana fidirana mpiasam-panjakana eto Madagasikara. Noho ny fanatanterahana ny fanavaozana ifotony no anton'izany.
Voatonona hatrany ny "kolikoly" rehefa fanadinana fifaninanana fidirana mpiasam-panjakana no resaka. Misy tokoa mantsy ireo mahafehy tsara ireo taranja rehetra hanadinana, ary nahazo naoty tsara dia tsara, saingy tsy tafiditra. Mampikatso ny asam-panjakana nefa izany, satria misy tokoa ireo mpiasa tsy mahay izay tokony atao amin'ny asany akory.
Fanadiovana ny tontolon'ny asam-panjakana
Omaly talata 21 oktobra, ireo ministera rehetra no voakasiky ny fanadiovana. Hisy ny fanisana sy fanadihadihana mikasika ireo fananam-panjakana. Araka ny voalazan'ny Praiminisitra, Herintsalama Rajaonarivelo, misy ireo fiara "plaque rouge" izay efa nisy namadika ho "plaque tsotra". Marobe ihany koa ireo endrika fangalarana sy fanararaotana ireo fananam-panjakana. Ireo tompon'andraikitra ambony moa dia tsy mahazo mivoaka an'i Madagasikara mihitsy mandra-pahavitan'ny asa fitsirihana, ao anatin'ny 3 volana.
Tsy adino ihany koa ny fikasan'ny Fitondrana ankehitriny hanao hazalambo ireo nangalatra na nanodinkodina ny harem-pirenena. Tsy anavahana sokajin'olona izany, araka ny nambaran'ny Praiminisitra vaovao hatrany.
Fifaninanana mangarahara
Tanjona ny hisian'ny "fifaninanana madio sy mangarahara" manomboka izao. Tsy tokony hisy intsony izany ireo mampiasa vola mba hidirana mpiasam-panjakana. Ny fahaizana mantsy no tena jerena, hahafahana mitsara raha ho voafehin'ilay mpifaninana ny asam-panjakana kasainy sahanina.
Tamin'ny tambazotra sosialy no nampahafantarin'ny Fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara izany fanapahan-kevitra izany, ny maraina teo. Hisy kosa nefa ny didim-panjakana hivoaka mikasika izany.