• Cours de change
  • 5187.29 AR
  • |
  • $4512.7 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

CEM : Ivon-toerana mampiroborobo ny kolontsaina sy ny asa tanana ao Morondava

21/10/2025 18:23 © Moov.Mg

Tafiditra ao anatin’ireo toerana tsara tsidihina ao an-tampon-tanànan’i Morondava, Faritr’i Menabe, ny CEM, na ny Centre Eco-Touristique du Menabe. Karazana asa-tanana maro, trano fisakafoanana, trano fandraisam-bahiny… samy hita ao avokoa.

Ao Tanambao Betela, eo an-tampon-tanànan'i Morondava, no ahitana ny Centre Eco-Touristique du Menabe (CEM). Tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo azo atao ao Morondava, araka ny torohevitry ny ofisim-paritry ny fizahantany ao Menabe, ny fitsidihana ity toerana ity, izay fantatry ny ao an-tanàna amin’ny hoe : Ex-SICA (SICA taloha). Araka ny anarana entiny, dia miezaka mitandro ny tontolo iainana sy ny zava-boahary ny CEM amin’ireo famokarana rehetra tanterahina ao aminy.

Asa tanana manaja ny tontolo iainana

Ahitana fanamboarana sary sokitra, fanaovana zaitra, petakofehy sy ny rary, ao an-toerana. Raha ny momba ny sary sokitra vita amin’ny hazo manokana, dia tsy manapaka hazo ny CEM fa ireo nadaraboky ny rivo-doza no angonina sy tahirizina, raha ny fanazavana. Araka izany, manome vahana betsaka ny fanodinana izay azo ahodina rehetra ny CEM, ka tsy misy ny verivery fotsiny.

Sady mampiofana amin’ny fanaovana ireo karazana asa tanana ireo ny CEM, no mandray ireo olona manan-talenta hiasa ao aminy ihany koa, aorian’ny fiofanana. Amin’izao fotoana izao dia manodidina ny 150 ireo mpanao asa-tanan’ny CEM, ka ny 20 mahery amin’ireo dia olona manana fahasembanana. Isan’ny mampiavaka ny CEM, araka ny fanazavana azo, io fanomezana asa ny olona manana fahasembanana, nefa manan-talenta io.

Ivon-toerana ho an'ny kolontsaina

Ao anatin’ny vondrona Kimony Lodges & Resort ny CEM, izay ahitana trano fandraisam-bahiny maromaro, toy ny ao Morondava, Antsirabe sy Antananarivo. Ny vokatry ny asa tanan’ireo avy ao amin’ny CEM no hita manaingo azy ireny. Tahaka izany koa ny trano fandraisam-bahiny sy ny trano fisakafoanana ao Tanambao Betela. Misy trano fivarotana ireo asa tanana ihany koa ao an-toerana, azon’ireo mpitsidika jifaina. Ankoatra ireo asa tanana amboarina ao an-toerana, dia hita ao ihany koa ireo vokatry ny fiaraha-miasa amin’ireo mpamokatra malagasy, toy ny kafe, ny tantely, lavanila… Mamokatra savony, labozia sy lohamenaka ihany koa ny CEM. Izany rehetra izany dia mitondra ny marika « Senga » avokoa.

Ivelan’izany dia manana ivon-toerana natokana ho an’ny kolontsaina ny CEM, izay mitondra ny anaran’i Mama Sana, mpanakanto nanana ny maha-izy azy tao anatin’ny kolontsaina Antandroy sy Sakalava. Misy fiofanana isan-karazany azo sitrahana ao anatin’ity ivon-toerana ity, toy ny dihy sy ny tenim-pirenena vahiny, izay misokatra ho an’ireo tanora sy ny mponina ao Morondava, amin’ny ankapobeny. Tafiditra ao anatin’ny Tamberin’andraikitry ny vondrona Kimony Lodges & Resort eo amin’ny fiarahamonina, izany, araka ny fanazavana.

Lire la suite

Articles Similaires