Fanabeazana : Sehatra mila fanavaozana ihany koa, hoy ny fikambanana Mentor E.C.C.E
Efa an-taonany maro izao no naharenesana fa marary ny fampianarana eto Madagasikara. Fotoana hanasitranana izany izao vanim-potoana itakian’ny rehetra fanovan-drafitra izao. Isan’ny mangataka ny hanatsarana ny sehatry ny fampianarana sy ny fanabeazana eto Madagasikara ny Association Mentor E.C.C.E. (Éducation, Civisme, Citoyenneté et Environnement).
Fanatsarana ny fampianarana sy fanabeazana
« Zo fototra ny fampianarana », hoy ny avy eo anivon’ny Association Mentor E.C.C.E, tao anatin’ny taratasy misokatra navoakany androany 20 oktobra 2025, izay miantefa mivantana amin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, sy ireo ambaratongam-pitantanana miara-misalahy amin’ny fitondrana ankehitriny. Mba ho fanajana izay zo fototra izay indrindra no antony angatahan’ity fikambanana ity ny mba hanatsarana ny fampianarana sy ny fanabeazana eto amintsika.
Nanolotra soso-kevitra maromaro ny fikambanana Mentor E. C.C.E, izay heverin’izy ireo fa ahafahana mitondra izany fanavaozana eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy fanabeazana izany. Laharam-pahamehana amin’izany ny ady amin'ny kolikoly, izay tsikaritra amin’ny sehatra rehetra eto Madagasikara. Isan’ny lahasa tokony hotanterahina ihany koa ny famerenan-kasina ireo mpampianatra sy mpanabe. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny karaman’izy ireo sy ny fametrahana fenitra hentitra, amin'ny fanofanana sy fandraisana ireo mpampianatra sy mpanabe eny amin'ny ambaratonga rehetra. Mba hahatanteraka izany rehetra izany dia angatahan’ny fikambanana Mentor E. C.C.E ny fampiakarana ny teti-bolam-panjakana atokana ho an’ny fampianarana, ny fanabeazana ary ny fampiofanana arak’asa.
Fampisitrahana zo fototra
Tafiditra ao anatin’ny zo fototra, izay efa niadian’ny fikambanana Mentor E. C.C.E hatramin’izay, ny hahafahan’ny mpianatra rehetra tsy an-kanavaka, misitraka fanabeazana ara-pananahana feno (ECS) tsy misy fepetra, eny anivon’ny sekoly. Izany dia mba « hananan'ireo zanaka Malagasy fahaizana sy fahalalana mitovy hiatrehany ny fiainany sy ny hoaviny ary hahatonga azy ireo ho isan’ireo mitondra fampandrosoana ho an’ny fireneny », hoy ilay taratasy misokatra.
Takian’ity fikambanana ity ihany koa moa ny fanamorana ny fampidirana mpianatra eny amin'ny ambaratonga rehetra eny anivon'ny sekolim-panjakana.