Tsy mahalevon-kanina : inona no tokony atao hampitoniana izany ?
Toe-javatra fahita amin’ny andavanandro ny hoe tsy mahalevon-kanina. Rehefa avy mihinana sakafo betsaka na matavy loatra matetika no mitranga izy io. Andeha ho fantarina eto ireo fambaran’ny tsy fahalevonan-kanina sy ireo torohevitra natoraly manampy mba hampitoniana izany.
Inona no atao hoe tsy mahalevon-kanina ?
Ny tsy fahalevonan-kanina, antsoina ara-medikaly hoe « dyspepsie », dia olan’ny fandevonan-kanina vokatry ny tsy fahafahan’ny vavony mandevona araka ny tokony ho izy ny sakafo noanina. Aorian’ny fihinanana sakafo be loatra, matsiro na matavy loatra na koa nisakafo haingana loatra ny mahatonga azy io. Mety mitarika izany ihany koa ny fisotroana zavatra « irritants » be loatra, toy ny toaka, kafe, zavapisotro misy « gaz ».
Amin’ny ankapobeny dia miseho amin’ny fahatsapana tsy mahazo aina na marary ao amin’ny faritra ambonin’ny kibo ny tsy fahalevonan-kanina. Tsy aretina moa izy io fa fitambarana soritr’aretina manambara fahasahiranana eo amin’ny fandevonan-kanina. Anisan’ireo soritr’aretina na fambara mety mitranga ny hoe :
-Mavesabesatra na fenofeno be ao amin’ny vavony, eny na dia avy nihinana sakafo maivamaivana aza ;
-Mangotika ny kibo ary mandefa rivotra matetika ;
-Maloiloy, ary mety mandoa mihintsy ;
-Mandrezatra matetika ;
-Mahatsapa mavaivay ao amin’ny vavony na misy « remontées acides » ;
-Manaintaina ny kibo.
Ireo torohevitra hampitoniana ny tsy fahalevonan-kanina
Ny fisotroana « tisanes » no isan’ny manampy indrindra hampitoniana ny tsy fahalevonan-kanina. Anisan’ireo mandaitra ny « tisane » vita amin’ny sakamalaho. Ny sakamalaho dia mandrisika ny fandevonan-kanina, mampihena ny maloiloy ary mampitony ny « spasmes digestifs ». Tsotra ny atao, mampangotraka rano 1 kaopy, arotsaka ao ny sakamalo voakiky 1 sotrokely, avela hitanika 3 minitra. Io akora io no sotroina matimaty.
Ankoatra izay dia manampy betsaka amin’ny fampitoniana ny tsy fahalevonan-kanina ihany koa ny fisotroana rano tsara. Tsy voatery rano tsotra fa afaka atao rano mafana nasiana ranona voasary makirana kely. Ny voasary makirana dia mandrisika ny famokarana « acide gastrique » izay manamora ny fandevonan-kanina.