• Cours de change
  • 5168.14 AR
  • |
  • $4469.41 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Famatsiana jiro : Hampidirina tsikelikely amin’ny RIA ny angovo avy amin’ny masoandro ao Ampangabe

08/10/2025 08:56 © Moov

Nijery ireo asa efa vita teo amin’ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro eo Ampangabe ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, omaly tolakandro. Tamin’izany no nilazany fa hampidirina tsikelikely ao anatin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA) io herinaratra io manomboka amin’ity herinandro ity.

5 MW amin’ny 11.5MW

Entina hamahana ny olan’ny fahatapahan-jro lavareny eto Antananarivo sy ny manodidina ny fidirana amin’ity fampiasana ny angovo azo havaozina ity. Raha tsiahivina dia 11.5MWc ny herinaratra ho vokarina eo Ampangabe io ; saingy ny 5MW ihany aloha hatreto no efa vita. Nanazava ny avy ao amin’ny Jirama, izay teny an-toerana ihany koa fa ny 1MW no efa miasa miaraka amin’ny herinaratra vokarin’izy ireo, amin’izao fotoana izao. Ho ampidirina tsikelikely kosa ny ambiny. « Amin’ity herinandro ity no ampidirina ny 1MW faharoa, ary hanaraka eo kosa ny fahatelo sy fahefatra. Amin’ny volana ambony kosa no hampidirana ny 1MW fahadimy farany », hoy ny fanazavana.
Mandeha tsikelikely ny asa fa tsy afaka miaraka avokoa, hoy ny fanazavana. Nanamafy kosa ny Filoha, raha nilaza fa « asa efa nisy, misy ny efa vita ary mbola mitohy ny famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ». Marihina fa vatoaratra 7.5MWh no hapetraka eo an-toerana mba hampandehanana io 11.5MW io. Raha ny fanazavana dia any ho any amin’ny faran’ny volana janoary 2026 any no ho vita tanteraka io 11.5MW io, hoy hatrany ny avy amin’ny Jirama.

Asa hafa

Ankoatra ny herinaratra avy amin’ny akoran’afo dia ny herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina dia tokony ho vahaolana lehibe ho an’i Madagasikara. Manan-karena rian-drano mantsy isika ary manana masoandro sy rivotra tsara ihany koa. Ity avy amin’ny masoandro ity aloha amin’izao no himasoan’ny fitondrana. Ankoatra io eny Ampangabe io dia efa vita ihany koa ny 1,5 MWc natsangana ao Ambatomirahavavy ary efa an-dalam-panamboarana ny 7MWc ao Ambohidrano Atsinanana, Ilafy, sy ny 10MWc ao Imerintsiatosika.
Etsy ankilany anefa dia mbola miandry ny vahaolana amin’ny olan’ny rano ihany koa ny vahoaka.

Lire la suite

Articles Similaires