Fiarovana ny tontolo iainana : mitaky asa mivaingana, hoy ny Vaomiera Justice et Paix
Asa mivaingana no ilaina ! Izay no azo amitinana ny hafatra avy amin’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana (Justice et Paix) eto Madagasikara, ho fanombohana ny volana natokana hivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana. Nifantoka tamin’ireo tranga niseho tao ho ao, teto amintsika, ity hafatra ity, amin’ny ankapobeny.
Volana natokana ho an’ny tontolo iainana
"Tonga ny fotoana Irosoana amin'ny asa mivaingana fa ampy izay ny resabe..." Io teny nosintonina tamin'ny Hafatry ny Papa Léon Faha-XIV io, izay mikasika ny andro iraisam-pirenena ivavahana ho an'ny fiarovana ny zavaboary : « Tsirim-piadanana sy Fanantenana », tamin’ny 30 jona 2025, no nindramin’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana ihany koa, ho fanombohana ity volana natokana hivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana ity. Tsy ny momba ny tontolo iainana ihany anefa no voaresaka ao anatin’ny hafatry ny vaomieran’ny Eveka, fa notsiahivin’ity hafatra ity avokoa ireo tranga niseho teto Madagasikara tao ho ao, izay mahakasika mivantana ny olombelona « zavaboary nomen'Andriamanitra iraka manokana ».
Isan’ny noresahan’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana ireo tranga nahafatesan’olona maro, toy ny fanapoizinana nitranga teny ambohimalaza sy ny tazomoka tany Ikongo, fa ihany koa ny lozam-piarakodia mitranga matetika eny amin’ny lalam-pirenena. Nitondra ny teny fiaraha-miory amin’ireo mana-manjo ny Vaomiera Justice et Paix ary nampahery azy ireo. Etsy an-daniny, nosokajian’ity fanambarana ity ho « zava-mitranga manahirana » ihany koa ny momba ireo fiaramanidina dimy mitondra laharana avy eto Madagasikara lasa any Iran ; ny disadisa eo amin'ny mpanao gazety sy ny mpitantana andrim-panjakana ; ny vava diso momba ny manam-pahaizana malagasy…
Rariny miaro ny tontolo iainana
Fa nisongadina manokana ny momba ny fiarovana ny tontolo iainana, izay mbola tsy zarizary, noho ny fivoahan'ireo harena an-kibon'ny tany sy ny biby mampiavaka an'i Madagasikara, an-tsokosoko. Manoloana izany dia nampahatsiahivin’ny Vaomiera Justice et Paix ny hafatra farany nosoratany, izay milaza fa « harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro ». « Marefo dia marefo ny tontolo iainantsika ary mihasarotra hatrany izany, noho ny voka-dratsin'ny fiovan'ny toetr’andro. Manampy trotraka izany ny firongatry ny plastika eto amintsika ». Notsindrian’ity hafatry ny Vaomieran’ny Eveka ho an’ny Rariny sy ny Fiadanana ity fa misy ny lalàna mikasika izany, nefa tsy ampiharina. Tsy ny momba ny fandotoana amin’ny plastika ihany anefa no tsy ampiharana ny lalàna efa misy, fa amin’ny sehatra maro.
Manoloana ireo olana ireo dia notsiahivin’ity hafatra ity fa tokony imasoana « ny fitantanana ara-drariny ny soa iombonana (bien commun), mba hisitrahan'ny Malagasy tsy ankanavaka ny harena nankinin-Janahary aminy, isan'ireny ny tontolo iainana, ny trano be iombonana ». Miandry asa mivaingana ny rehetra, hoy ny Vaomieran’ny Eveka ho an’ny Rariny sy ny Fiadanana, izay nampahatsiahy ny hafatry ny Papa Léon faha XIV manao hoe : “Aoka izay ny resabe sy fampanantenana fa miandry asa mivaingana izao tontolo izao, hametrahana ny rariny miaro ny tontolo iainana, ka anatin'izany ny olombelona”