Kabeson’ny Ampanjaka Toera : Ho raisina amin’ny fomba manetriketrika
Hody eto Madagasikara ny kabeson’ny Ampanjaka Toera sy ireo mpianady roalahy niaraka taminy. Raha ny vinavina dia higadona eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato izany ny alin’ny 31 aogositra. Aorian’izany dia hisy ireo lanonana samihafa entina hanomezan-kaja azy ireo.
Lanonana ara-miaramila sy ara-panjakana
Mialoha ny hitondrana ireto kabeso ireto any amin’ny faritra Menabe, izay tany niavin’izy ireo dia hisy lanonana ara-miaramila sy ara-panjakana isan-karazany eto Antananarivo Renivohitra. Hiainga eny amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato izy ireo ary entina eny amin’ny fasan’ny mahery fo, Mausolée. Vasokajy ho isan’ireo mahery fo rahateo izy ireo izay nandà ny fifehezan’ny mpanjanaka ary namoy ny ainy ho an’ny tanindrazana ny taona 1897. Nitondra ny ady niaraka tamin’ny tafiny mantsy i Toera, niatrika ny basy aman-tafondron’ny tafika frantsay, tamin’izany. 128 taona aty aorian’ny namonoana azy dia higadona eto an-tanindrazana ny kabeson’izy ireo.
Ho fanomezana voninahitra ireo mahery fo sy ho famerenana ny hasina izay voaroba tamin’izany, eto Antananarivo renivohitr’i Madagasikara, dia hisy ny lanonana ara-panjakana sy ara-miaramila manetriketrika eny amin’ny Mausolée Avaratr’Ambohitsaina ny Talata 02 Septambra 2025 maraina, mialohan’ny lanonana maro be fanaterana azy any amin’ny faritra Menabe.
Lanonana ara-pomban-drazana
Raha tsiahivina dia mpanjakan’i Menabe i Toera. Araka izany, any an-toerana no hapetraka ireo Kabeso ka hisy ihany koa ireo lanonana samihafa mandrapaha-tongany any an-toerana. Mialoha ireo lanonana ara-pomban-drazana any Ambiky, Distrikan’i Belo Tsiribihina, izay toerana namonoana azy ; dia handalo toerana marobe ireo kabeso ireo. Any amin’ny 5 sepambra any kosa no heverina hahatongavany any an-toerana. Isaky ny toerana handalovany dia entanina ny rehetra hijoro mahitsy am-pahanginana ary hanala satroka.
Nanentana ihany koa ny minisiteran’ny serasera fa hisy ny fanomezam-boninahitra sy ny fanomezan-kaja omen’ny vahoaka ireo mahery fon’i Madagasikara ireo. Ho marik’izany io fihetsika isaky ny toerana handalovany io. Ireo mpitondra fiara kosa hasaina hivoaka ny fiara ary hijoro mahitsy mandritra ny fandalovany.