• Cours de change
  • 5142.8 AR
  • |
  • $4453.4 AR
Copyright Image : © Fmf
Image
Sport

CHAN 2024 : Hirona any Kenya ireo Mpankafy ny BAREA

27/08/2025 08:16 © Moov

Hisy sidina manokana natokana ho an'ireo mpanohana ny BAREAn'i Madagasikara ny sabotsy 30 aogositra ho avy izao, andro hanatanterahana ny lalao famaranana.

Tafakatra amin'ny dingana famaranana amin'ny lalao CHAN 2024 ny ekipam-pirenena Malagasy, rehefa nandresy ny ekipan'i Soudan tamin'ny isa 1 no 0 omaly 26 aogositra.

Fanohanana ny ekipa BAREA

Noho ny fandresena miezinezina omaly, nanapa-kevitra ny fiadidiana ny Repoblikan'i Madagasikara fa hanatanteraka fandaminana manokana, hahafahan'ireo mpanohana manotrona ny Barea amin'ny dingana famaranana. Tapaka àry fa hiantohan'ny Ministeran'ny Fanatanjahantena ny 50% amin'ny vidin'ny tapakila mandroso sy miverina any Kenya. Hisy ihany koa ny fanamorana ny fahazoana ny Visa Elektronika.

Fandaminana manokana

Misy àry ny fandaminana manokana ho an'ireo mikasa hijery ny lalao mivantana any Kenya.
-Alefa amin'ny WhatsApp 0347147704 ny mombamomba ireo handeha ( Anarana, fanampin'ananarana, daty nahaterahana, laharan'ny pasipaoro +Scan ny pejy misy ny mombamomba antsika, sary tapaka.)
-Miainga eto Madagasikara amin'ny 2h55 ny fiaramanidina, ny sabotsy 30 Aogositra, miverina an-tanindrazana isika amin'ny 22h45 ihany.
-Hifarana ny zoma 29 Aogositra amin'ny 12h ny fisoratana anarana. Marihina fa voafetra ny toerana noho lamina amin'ny kaompaniam-pitaterana.



Lire la suite

Articles Similaires