Protocole de Maputo : Firenena vitsy ao anatin’ny SADC sisa tsy nankatoa azy, isan’izany i Madagasikara
Amin’izao fandraisan’ny filoham-pirenena malagasy ny fitantanana ny SADC izao, dia manao antso avo ny Ipas, mba hirosoan’i Madagasikara amin’izay, amin’ny fankatoavana ny Sata afrikanina momba ny zon'ny vehivavy (Protocole de Maputo). Raha ny nambaran’ity vondrona iraisam-pirenena ity mantsy, dia isan’ireo firenena vitsy ao anatin’ny SADC tsy mbola nanatanteraka izany i Madagasikara.
Fampanajana ny zon’ny vehivavy
Lany nandritra ny fivoriamben’ny Vondrona Afrikanina, tany Maputo Mozambique, tamin’ny 11 jolay 2003, ny Sata afrikanina momba ny zon'ny vehivavy, na ny Protocole de Maputo. Nanao sonia ity fifanarahana ity i Madagasikara tamin'ny taona 2004, saingy mbola tsy niroso tamin'ny fankatoavana (ratification) mandraka ankehitriny. Ho an’ny Ipas, izay fikambanana iraisam-pirenena miady ho an’ny fahafahan’ny vehivavy misitraka fandrindram-piterahana sy fampitsaharana vohoka, dia fotoana tokony hanaovan'i Madagasikara dingana lehibe izao fandraisan’ny filoha Andry Rajoelina ny fitantanana ny Vondrona ho an'ny fampandrosoana ny faritra Atsimon'i Afrika (SADC) izao.
Manome antoka ho an’ny vehivavy sy ny ankizivavy aty Afrika ny Fifanarahan’i Maputo, fa ho afaka misitraka fitovian-jo izy ireo, afaka miaina ao anatin’ny rariny ara-tsosialy sy ao anaty fahamendrehana. Araka izany, hoy ny Ipas, ny firosoan’i Madagasikara amin’ny fankatoavana, dia midika ho fanamboarana ho avy azo antoka, eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny fahasalamana ara-pananahana, ny ady amin’ny herisetra, ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy eo amin’ny sehatra ara-toekarena ary ny fampandrosoana lovainjafy. Ny « fankatoavana » na « ratification » moa dia midika ho famadihana ity fifanarahana ity ho lasa lalàna velona ampiharina eto amin’ny firenena.
Fampandrosoana an’i Afrika
Amin’izao maha-filohan’ny SADC ny filoham-pirenena malagasy izao, dia afaka manome ohatra tsara ho an’ireo firenena afrikanina hafa, izay mbola tsy nankatoa ny Fifanarahan’i Maputo i Madagasikara, hoy ny Ipas. Mandrakotra ireo sehatra samihafa ara-toekarena, ara-tsosialy, ara-kolontsaina sy ara-pôlitika ny Sata afrikanina momba ny zon'ny vehivavy. Araka izany, ny firosoan'i Madagasikara amin’ny fankatoavana azy, dia maneho fa mametraka ny fanajana ny zo sy ny fahamendrehan’ny vehivavy ao anatin’ireo vahaolana afrikanina ho an’ny fampandrosoana, i Madagasikara.
Nanamafy ny Ipas fa efa nankatoa ny « Protocole de Maputo » ny ankamaroan’ireo firenena mivondrona ao anatin’ny SADC, ka tsy tokony ho i Madagasikara, izay filoha mitarika ity vondrona ity, no tsy hanatanteraka izany.