• Cours de change
  • 5131.15 AR
  • |
  • $4440.49 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

Kabeso Sakalava : Haverin’ny frantsay, amin’ny fomba ôfisialy, amin’ny talata ho avy izao

21/08/2025 08:45 © Moov.Mg

Amin’ny talata 26 aogositra ho avy izao no haverin’i Frantsa, amin’ny fomba ôfisialy, amin’i Madagasikara ireo kabeso miisa telo, izay ahitana ilay heverina ho karandohan’ny Ampanjaka Toera, mpanjaka manan-kasina ho an’ny foko Sakalava.

Lanonana any Parisy

Taorian’ny fifandresen-dahatra efa naharitra fotoana maro, dia ho tanteraka amin’izay ny famerenana amin’i Madagasikara, indrindra amin’ireo Sakalavan’i Menabe, ny kabeson’ny ampanjaka Toera miaraka amin’ireo mpianady roa lahy, izay notahirizina tany amin’ny Musée de l’Homme any Parisy Frantsa. Ny talata 26 aogositra 2025 no hanatanterahana ny lanonana hamerenana amin’ny fomba ôfisialy ireo harem-bakoka ireo, any amin’ny ivon-toeran’ny ministeran’ny Kolontsaina frantsay. Hanatrika izany ny minisitry ny kolontsaina sy ny Serasera malagasy, Volamiranty Donna Mara sy ny minisitry ny Kolontsaina frantsay, Rachida Dati. Ny 31 aogositra 2025 kosa no ho entina mihazo an’i Madagasikara, hotsenaina eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ireo kabeso Sakalava ireo.

Hetsika ara-kolontsaina sy ara-pizahantany

Raha ny fandaharam-potoana dia misy hetsika maro kasain’ireo vahoaka Sakalava hotanterahina, any amin’ny tanàna maro ao amin’ny Faritra Menabe, mba ho fandraisana sy fanomezam-boninahitra ireo sisan-taolambalo manan-kasina ireo. Nisy, araka izany, ny fivoriana notanterahina tany Morondava, ny 14 aogositra lasa teo, izay notarihin’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Morondava, Andre Haja Resampa ; niaraka tamin’ny Prefen’i Morondava, Rafidison Fidèle, ary ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina any Menabe, Isabelle Joda Celestine ; sy ireo tompondraikitra maro any amin’ny Faritra Menabe. Votoatin’ny fivoriana ny fanomanana ny fandraisana an-tanana ny Kabeson'ny Ampanjaka Toera. Nivoitra tamin'izany fa mila fanohanana ara-bola, avy amin’ny Fanjakana Foibe, ny fanomanana ireo hetsika rehetra iriana hotanterahina. Akoatra ny maha-fanomezan-kasina ara-kolontsaina izao famerenana ny Kabeso Sakalava izao mantsy, dia hanintona mpizahatany betsaka any amin’ny Faritra Menabe ihany koa ireo hetsika hotontosaina.

Vakoka iraisam-pirenena

Raha ara-tantara moa dia tao Ambiky, any amin’ny Distrikan’i Belo amoron’i Tsiribihina, izay renivohitry ny Fanjakana Sakalava tamin’izany fotoana, no nitrangan’ny fanafihana nataon’ireo miaramila mpanjanaka, kaa nahazoan’izy ireo ho babo ny Ampanjaka Toera. Any rahateo no kasaina hanaterana ireo karan-doha miisa telo, rehefa tafaverina eto an-tanindrazana. Taorian’ity fivoriana ity anefa, dia nangataka ireo manam-pahefana ny tsy hanaterana ireo Kabeso ireo any Ambiky, fa any amin’ny toerana azo antoka sy mora hita kokoa. Voalaza fa sarotra ny miaro ny kabeso raha any Ambiky no ametrahana azy, vokatry ny faharatsian'ny lalana sy ny fahavakisan'ny zomba any matetika. Nambaran’ireo mpivory ihany koa fa tsara raha toerana azon’ny rehetra tsidihina no hametrahana ireo kabeso ireo, noho izy ireo sokajiana ho vakoka iraisam-pirenena mihitsy.

Andrasana, araka izany, ny fivoahan’ny fandaharam-potoana ôfisialy, mahakasika ny fandraisana ireo kabeso Sakalava miisa telo.

Lire la suite

Articles Similaires