• Cours de change
  • 5131.15 AR
  • |
  • $4440.49 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Antenimierampirenena – IPAS Afrique Francophone : Hiaraka hanatsara ny fahasalamana ara-pananahan’ny vehivavy

20/08/2025 11:08 © Moov

Noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny ekipan’ny SDSR misahana ny fahasalamana sy ny zo ara-pananahana ary ny VIH/SIDA ao amin’ny Antenimierampirenena sy ny mpiara-miombon’antoka aminy dia tanteraka omaly, talata 19 aogositra 2025 ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Antenimierampirenena sy ny IPAS Afrique Francophone.

Ny tale rezionalin’ny IPAS Afrique Francophone, Ramatoa Fabiola Mizero sy ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Andriamatoa Tokely Justin no nanatanteraka ny fanaovan-tsonia. Nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana Andriamatoa Rajaobelina Lova, Filohan’ny Réseau Parlementaire National pour la Justice Reproductive sy ireo solombavambahoaka samihafa.

Zon’ny vehivavy

I Madagasikara amin’izao fotoana izao dia mampiroborobo ny fidiran’ny vehivavy amin’ny fampiasana fandrindram-piterahana, izay natao ho laharam-pahamehana. Zon’izy ireo indrindra izany satria manan-jo ny hisafidy ny isan’ny zanany izy ireo. Ity fanavaozana ny fiaraha-miasa ity dia ho fiarovana sy fanatsarana ny zon’ny vehivavy amin’ny resaka fahasalamana ara-pananahana. Izany moa dia efa hanaovan’ny vovonana SDSR-Antenimierampirenena fanentanana eny amin’ny sehatra maro samihafa sy eny amin’ny ambaratongam-pahefana voakasika rehetra. Nanazava i Andriamatoa Rajaobelina Lova, Filohan’ny Réseau Parlementaire National pour la Justice Reproductive fa « betsaka ny olona no tsy mahalala ny teknika sy ny tokony atao raha te handrindra fiterahana ka izay no hamafisana ny fanentanana amin’ny alalan’ity fiaraha-miasa ity. Ampahafantarina ny lehilahy ihany koa amin’izao fa manan-jo ny hisafidy ny vehivavy fa tsy sakantsakanana ».

Fiarahana mandray andraikitra

Izany rehetra izany anefa dia hamafisina ihany koa amin’izao fiarahana amin’ny IPAS Afrique Francophone izao. Raha misy ny fanamboarana na fanatsarana lalàna momba ny zon’ny vehivavy ara-pananahana dia afaka mifarimbona amin’ny mpanao lalàna eto amin’ny Antenimierampirenena ny IPAS amin’izany. « Ny rehetra miaraka mandray andraikitra no ananan’ny vehivavy sy ny zatovovavy malagasy miaina am-pilaminana sy ananany fitaovana sahaza ilaina ananany fahasalamana ara-pananahana », hoy hatrany ny fanazavana. Raha tsiahivina ny IPAS Afrique Francophone dia fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana natokana ho an'ny fanatsarana ny fahasalamana ara-pananahana sy zo ara-pananahan’ny vehivavy, eto amin’ny firenena afrikanina miteny frantsay.

Lire la suite

Articles Similaires