Antananarivo Toamasina : Nahazo famantsiam-bola 60 tapitrisa dolara avy amin’ny ADFD ny lalambe migodana
Notokanana androany 18 aogositra 2025 ny ampahany voalohany amin’ny lalambe migodana (autoroute), izay mampitohy an’Antananarivo amin’i Toamasina, miainga eo amin’ny « point kilométrique zéro » (PK0) eo Ambodifasina tonga any Ambohimanga Rova.
Ampahan-dalana voalohany amin’ny « autoroute »
Amin’izao fotoana izao dia ny lalam-pirenena faha-2 (RN2) no ampiasaina, ifamezivezen’ny olona sy ny entana, eo anelanelan’Antananarivo sy Toamasina. Notsiahivin’ny filoha Andry Rajoelina fa tany amin’ny taona 1901 no nanamboarana azy, izay mirefy 360 km. Amin’izao fotoana izao dia maherin’ny adin’ny folo no hanaovana izay elanelana izay, fa rehefa vita tanteraka kosa ny lalambe migodana, dia ho adin’ny roa sy sasany no faharetan’ny dia, miainga eo amin’ny PK0 Ambodifasina hatrany Toamasina, hoy ny fanazavan’ny filoham-pirenena. Latsaka 100 km amin’ny RN2 ny halavan’ity lalambe migodana eo an-dalam-panamboarana ity, izany hoe : hirefy 260 km ny totaliny.
Fa ho an’ny androany aloha dia ny ampahany voalohany mirefy 8km, miala eo amin’ny PK0 Ambodifasina, mihazo an’Ambohimanga Rova no notokanana. Nanatrika izany ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Vondrona ho an'ny fampandrosoana ny faritra Atsimon'i Afrika (SADC), izay mbola eto Madagasikara, dia ny mpanjakan’i Eswatini, Mswati III ; ny filohan’i Zimbabwe, Emmerson Mnangagwa ; ny praiminisitr’i Lesotoho, Sam Matekane ; ary ny sekretera mpanatanteraky ny SADC, Elias Mpedi Magosi. Vita ao anatin’ny 8mn eo ho eo io ampahan-dalana io, araka ny nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina.
Fiaraha-miasa afrikanina
Raha tsiahivina dia ny orinasa ejipsianina, Samcrete, no miandraikitra ny fanamboarana ity fotodrafitrasa ity. « Mino izahay ato amin'ny Samcret fa ny fanorenana fotodrafitrasa dia fanorenana ny ho avy. Faly izahay manampy amin'ny fizoran’i Madagasikara mankany amin'ny fahombiazana », hoy ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny orinasa, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Mpikambana eo anivon’ny EGAAD (Egyptian African Arab Company for Development), izay ivondronan’ireo orinasa ejipsianina ihany koa ny Samcrete. Hahazoana tombony ara-toekarena ity fotodrafitrasa ity, satria hampitombo ny fifanakalozana ara-barotra ary hamorona asa mivantana na an-kolaka, hoy ny tale jeneralin’ny EGAAD. Notsipihiny ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa afrikanina, izay miteraka vokatra azo tsapain-tanana mifanaraka amin'ny zava-misy sy ny filàna.
Isan’ny manan-danja indrindra tamin’ny kabary nifandimbiasana androany, ny filazan’ny filoha Andry Rajoelina fa nahazo famatsiam-bola 60 tapitrisa dolara avy amin’ny Tahirimbolan’i Abu Dhabi ho an’ny fampandrosoana (Abu Dhabi Fund for Development # ADFD) i Madagasikara, mba hanohizana ny fanamboarana ny lalana. Izany dia ho fanampin’ny tohana avy amin’ny Banky Arabo ho an'ny Fampandrosoana ara-toekarena an'i Afrika (BADEA).