Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 11 hatramin'ny 17 aogositra 2025
Atolotra anao ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 11 hatramin'ny alahady 17 aogositra.
Raharaha Ambohimalaza # Fihaonan'ny filoha tamin'ireo fianakaviana
Noraisin'ny Filohampirenena Andry Rajoelina teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ireo fianakaviana mana-manjo, noho ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza. Nitondra teny fampiononana ny Filoha sady nihaino ireo niharam-boina. Nisitraka tohana ara-tsosialy izy ireo, ary hisy ihany koa ny "accompagnement psychologique".
Nanamafy ny Fitondram-panjakana fa mitohy hatrany ny fanadihadihana mba hanolorana fahafaham-po ireo fianakaviana ny amin'ny fahalalana izay tena zava-nisy marina. Hahazo sazy henjana ihany koa ireo nahavanon-doza, ka ho tsaraina ampahibemaso ireo voarohirohy amin'izao raharaha izao. Tsara ny mampahatsiahy fa nozaraina amin'ny Fonja 3 samihafa ireo vehivavy miisa 5 notanana am-ponja vonjimaika. I Fenohasina manokana, ilay tompom-pety, dia tazomina eny amin'ny Fonjan'i Manjakandriana.
Galleria ENARA Ivato # Bazar de la SADC
Nosokafana ny alakamisy 14 aogositra teo ny Bazar de la SADC. Toerana vaovao tena raitra no mandray io varotra fampirantiana io, dia ny Parc d'Exposition International Enara, Lac Iarivo Ivato. 6 000 m2 no velaran'ny toerana, ary 4 volana monja no nanatanterahana ny asa.
Maherin'ny 200 ireo tranoeva azo tsidihana, izay mampiranty asa tanana malagasy isankarazany. Hita ao an-toerana ny fanaka, firavaka, kitapo/poketra, haingon-trano, fitafiana, sakafo voaodina, sns. Hatramin'ny alatsinainy 18 aogositra amin'ny 7 ora hariva moa ny hetsika, ka misy ny "navette gratuite" na fitaterana maimaimpoana ho an'ireo liana amin'izany.
CCI Ivato # Fihaonambe faha-45 SADC
Tontosa ny alahady 17 aogositra lasa teo ny Fihaonamben'ireo Filoham-panjakana sy Governemantan'ny SADC, teny amin'ny CCI Ivato Antananarivo. Mpanjaka, Filoham-pirenena sy Solontenam-panjakana miisa 15 no nanotrona ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, izay nandray ny fitantanana ny SADC. Ny filohan'i Zimbabwe, Dr Emmerson Dambudzo Mnangagwa moa no nanolotra ny marika, ho porofon'ny famindram-pitantanana. Hanao dingana lehibe i Madagasikara, amin'ny fampandrosoana anatiny sy ny fanohanana ireo firenena mpikamban'ny SADC. Haharitra herintaona moa izao fitantanana ny SADC izao, ka ny firenena handray ny fitantanana indray no hampiandrano ny fihaonambe faha-46 amin'ny taona ho avy.
Téléphérique # Maherin'ny 5 000 ny tapakila lafo ny andro voalohany
Nisokatra ho an'ny besinimaro ny sabotsy 16 aogositra lasa teo, nanomboka tamin'ny 7 ora maraina. Miisa 5 001 no isan'ny tapakila lafo, ary saika filaharambe ny teny amin'ireo "Station" fandraisana izany fitaterana an-tariby izany. Tsara ny manamarika fa 3 000 ariary no saran'ny tapakila iray. Nahasarika olona tokoa ilay karazam-pitaterana vaovao, saingy mbola andrasana ny tena fahazotoan'ny mpandeha afaka herinandro vitsivitsy. Kendrena hampihena ny isan'ireo fiara mivezivezy sy hanamaivanana ny fitohanan'ny fifamoivozana moa izao fanolorana fitaterana vaovao ho an'ny rehetra izao.
Antsiranana # Festikite andiany faha-4
Tontosa ny 15 hatramin'ny 17 aogositra lasa teo ny FESTIKITE andiany faha-4, tao Antsiranana, Baie de Sakalava. Vory lanona tao an-toerana ireo mpankafy milalao onjan-dranomasina ka mikatroka ny fantanjahantena Kitesurf Slalom, Windsurf na Windfoil. Fifaninanana no natao tamin'izany ka samy nanolotra izay tsara indrindra tany aminy ireo mpandray anjara. Nisy ihany koa ny lalao samihafa, toy ny Moraingy sy ny fifaninanana hatsaran-tarehy amam-bika (miss & mister).
Tetsy ankilany, nanararaotra nitsidika ireo toerana manintona mpizahantany maro ireo mpandray anjara sy mpanotrona ny hetsika. Anisan'ireo faritra manana harena voajanahary sy koltoraly miavaka mantsy i Antsiranana.
Ambositra # Festival VOLAMBETOHAKA andiany faha-15
Notanterahina mandritra ny efatra andro (14-17 aogositra) tao amin'ny distrikan'Ambositra, renivohitry ny Faritra Amoron'i Mania, ny Volambetohaka.
Hetsika ara-kolontsaina fanao isaky ny roa taona izy io, saingy efa fito taona lasa no nisy izany farany ka izao fohazina izao indray. Ny tanjona moa dia ny hitarafana ny fiaraha-mientan'ireo tompon'andraikitra sy mponina any an-toerana amin'ny fampandrosoana. Teo ihany koa ny fanomezan-danja ny kolontsaina Betsileo. Mifamatotra ny fampandrosoana sy ny sosialy fa indrindra ny kolontsaina, araka ny nambaran'ny Talem-paritry ny Jono sy toekarena Manga DRPEB Amoron'i Mania.
Toliara # Ady amin’ny zava-mahadomelina sy ny herisetra
Toerana anisan’ny tena ahitàna betsaka ny rongony « cannabis » na « jamala » ao Toliara, renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana. Tsy mijanona fotsiny amin’ny fanenjehana an’ireo olona tompon’antoka amin’ny fivarotana sy fanapariahana azy ireny ny eto anivon’ny Polisimpirenena manerana ny Nosy, ka nisy ny fanentanana.
Nampahafantarina manokana ny momba ny loza ateraky ny fidorohana ny « jamala », ny fiantraikany eo amin’ny fiainam-piarahamonina sy ireo sazy mifanaraka amin’ny lalàna misy ho an’izay manao izany. Nisy ihany koa ny fanentanana momba ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy. Nisy ihany koa ny fametrahana peta-drindrina izay mandràra ny fidiran’ny ankizy tsy ampy taona amin' ireo toeram-pisotroana sy "Boite de nuit" any an-toerana.
Ambovombe # Ady amin'ny fanaparitahana vola sandoka
Lehilahy roa no voasambotry ny Polisimpirenena tao Antampontsena, Kaominina Ambanivohitra Ambovombe Centre, Distrikan’i Manandriana, Faritra Amoron’i Mania ny 13 aogositra 2025, noho ny famitahana “Cash Point” tamin’ny vola sandoka.
Vola sandoka 50 isa amin'ny 20 000 Ariary, no saika ho alefan’izy ireo tamin’ny laharana finday hafa. Nahatsikaritra avy hatrany ireto vola sandoka ny tompon’ny “Cash Point” ka niantso ny Polisy. Nandositra ireto lehilahy ireto saingy tratran’ny sakana napetraky ny Polisimpirenena teo amin’ny fivoahan’ny Kaominina.Rehefa nosavaina dia mbola hita teny aminy ny ambin'ny vola sandoka maromaro mitentina 2 hetsy sy 1 tapitrisa ariary. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisimpirenena izy ireo hanokafana fanadihadiana.
Manakara # Fampiroboroboana ny sehatry ny Jono
Tontosa ny sabotsy 16 Aogositra, tao amin’ny Fiangonana FJKM Ambahatrazo, ny fampiofanana mahakasika ny teknika fiompiana trondro Tilapia sy Karpa . Ity fiofanana ity dia notanterahina niaraka tamin’ny ekipa avy amin’ny Fitaleavana misahana ny Fampamokarana ny Atirano (Direction de l’Aquaculture) ao amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga .
Niisa 215 ireo mpiofana ka ny sasany tamin’izy ireo dia efa manana dobo-trondro ary efa misehatra amin’ny fiompiana trondro. Nandritra ny hetsika dia naneho ny fahavononany hanohy ny fampandrosoana ny sehatry ny fiompiana trondro ao an-toerana ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambanivohitra Ambahatrazo sy ny mpiasa eo anivon’ny kaominina. Anisan’ny tanjona ny hampiroboroboana ny fiompiana trondro ho fomba iray hiantohana ny fanjariana ara-tsakafo, hampitomboana ny fidiram-bolan'ny isan# tokantrano, ary hanohanana ny fampandrosoana ara-toekarena ao amin’ny kaominina.