• Cours de change
  • 5137.87 AR
  • |
  • $4435.45 AR
Copyright Image : © Aina Amy
Image
Vaovao

Fitaterana an-tariby : Olona maherin'ny 5 000 no nitaingina Téléphérique ny sabotsy 16 aogositra

17/08/2025 17:25 © Moov

Niampy iray ny karazam-pitaterana ho an'ny daholobe eto Madagasikara. Nisokatra ho an'ny rehetra ny sabotsy 16 aogositra lasa teo ny "Téléphérique" - Ligne Orange.

Na dia avy aza ny orana sady namirifiry ny andro, vao mangiran-dratsy dia efa amina metatra maromaro ny filaharana "Téléphérique" ny sabotsy teo. Tamin'ny 7 ora hatramin'ny 9 ora maraina no nitatitra mpandeha ireo "cabines" arifomba, ka marobe no liana tamin'izany.

Fitaovam-pitaterana hafakely

Saika "te hanandrana hitaingina téléphérique" fotsiny ny ankamaroan'ireo mpandeha tamin'iny andro voalohany iny, fa tsy nanana dia aleha manokana akory. Maro ireo ray aman-dreny nitondra ny zanany mba hamalifaliana azy ireo : misosasosa miadana eny ambony eny sady mitazatazana ny ety ambany. Misy kosa ireo tanora sy olondehibe te hiaina "andrana" hafakely fotsiny. Raha 4 000 ariary ny saran-dalana notononina tamin'ny taona 2024, 3 000 ariary no vidin'ny tapakila mba ho fitsinjovana ireo mpandeha.
"Afaka mirehareha isika fa Malagasy ary satria koa isika no manana fotodrafitrasa lehibe raisin’ireo firenena aty Afrika Atsimo ho fitaratra. Efa nisafidy ny hiasa isika ary mandroso hatrany, hametraka ireo fotodrafitrasa vaovao ho lovain’ireo taranaka sy hanova ny tantara", hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Tsara ny manamarika fa mponin'Antananarivo 40 000 ka hatramin’ny 60 000 isan’andro no ho afaka hisitraka ny "Téléphérique". Antenaina hampihena ny isan'ny fiara mivezivezy sy hanamaivana ny fitohanan'ny fifamoivozana izao fahatanterahan'ny tetikasa "Transport par câble" izao.

Fahavitrihan'ireo mpandeha

Mahavelom-bolo ireo tompon'andraikitra ny fahavitrihan'ireo mpandeha tamin'iny andro voalohany iny. Miisa 5 001 be izao mantsy ny tapakila lafo : 1 979 teny Anosy, 666 teny Soarano, 593 teny Ankorondrano ary 1 763 teny Ivandry.
Amporisihana araka izany ny rehetra mba hampiasa ny Téléphérique amin'ny fiainana andavan'andro, fa tsy hanandrana fotsiny ihany.

Lire la suite

Articles Similaires