• Cours de change
  • 5137.5 AR
  • |
  • $4435.77 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Tsihombe : Lehilahy iray tratra niaraka tamin’ny sokatra 1.102 isa efa natao kitoza

13/08/2025 10:27 © Moov.Mg

Nahatrarana sokatra mihoatra ny 1000 isa, efa natao kitoza, sy sokatra velona miisa 20, tao amin’ny Fokontany Ambonaivo, Kaominina Behazomanga Distrikan’i Tsihombe, Faritra Androy. Fanomezam-baovao avy amin’olon-tsotra no nahafahan’ireo tomponandraikitra nihetsika ka nahafahana nanatratra ity fandikan-dalàna ity.

Biby ahiana ho lany tamingana

Ny 5 aogositra lasa teo no nisian’ity tranga ity. Araka ny fantatra dia lehilahy iray no nitondra ireto sokatra ireto tao anaty kitapo gony. Efa nahandroina ny 1.102 tamin’ireo, izay tsy mbola fantatra hatreto na nokasaina hamidy eto an-toerana ihany, na noketrehina haondrana any ivelany. Raha ny fantatra, araka ny fanadihadiana efa natao, dia olona 15 isa no voarohirohy ao anatin’ity fitrandrahana zava-manan’aina arovana ity.

Raha tsiahivina tokoa dia ahitana sokatra karazany 9 eto Madagasikara, izay misy an-tanety ary misy an-dranomamy. Ny 5 amin’ireo karazana sokatra ireo dia tsy fahita raha tsy eto amintsika, dia ny rere na « Erymnochelys madagascariensis », ny angonoka na « astrochelys yniphora », ny sokake na « astrochelys radiata », ny kapidolo na « pyxis planicauda », ary ny tsakafy, antsoina ihany koa hoe kapila na « pyxis arachnoides ». Voasokajy ho biby arovana avokoa ireo sokatra tsy manam-paharoan’i Madagasikara ireo. Araka izany dia mampahatsiahy ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, fa raran’ny lalàna ny fihazana, ny fihinanana, ny fiompiana ary ny fanondranana ny sokatra, biby izay tsy fahita raha tsy eto amintsika ary efa atahorana ho lany tamingana.

Fitrandrahana an-tsokosoko

Ny ekipan'ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (DREDD) any Androy, tamin'ny alalan'ny sampan'ny Tontolo Iainana sy ny Ala (CEF) ao Tsihombe, no nahatratra ity fitrandrahana sokatra an-tsokosoko ity, niaraka tamin'ny fikambanana Turtle Survival Alliance (TSA). Nankinina amin’ity fikambanana ity rahateo ny fikarakarana ireo sokatra 20 izay velona, mba hijerena akaiky ny fahasalamany, mialoha ny hamerenana azy ireo any amin'ny toeram-ponenany. Efa mandeha ny famotorana, mba hahafahana mamantatra sy manafay araka ny lalàna, an’ireo mpiray tsikombakomba rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires